airtel

Politique

29-juil-2026

Front de libération national

«Nanenjehana fotsiny ny filoha

Sample post image

tamin’ny 2009 io «laïcité» io»

29-juil-2026

Tena nanenjehana fotsiny ny filoha Ravalomanana tamin’ny 2009 ny maha laika ny fanjakàna na io hoe «laïcité de l’état» io, hoy ny FLN na Front de libération national. Izay, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, no nampidirana azy tanatin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4. Ny filoham-pirenena tamin’izany tsinona, hoy izy, sady filoha lefitry ny FJKM. Ny fananana olona betsaka izay no tena neritreretina hoe haningotra ilay fahefàna fa ny tena maha laika ny fanjakàna tiana ho resahina sy apetraka dia ny hoe tsy fampifangaroana ny asan’ny mpitondra fivavahana sy ny asan’ny mpitondra fanjakàna. Natao ho asan’Andriamanitra ny asa fitondràna fivavahana. Tsy tokony ho lotoina amina zavatra hafa izany. Ny asan’ny mpitondra fanjakàna dia natao ho an’ny vahoaka iraimanontolo izay manana finoana marobe samihafa. Ao ny Kristianina, ny tsy Kristianina, ny jentilisa, ny tsy mino an’Andriamanitra na «Athée», ny Miozolomanina sy ny maro hafa tsy voatanisa. An’arivony ny karazana finoana eto ambonin’ny tany ka raha ny finoanao izany no entinao hitantanana ny tany sy ny fanjakàna dia lasa misy tsy fahazotoana ho an’ny finoana hafa eo amin’ilay firenena. Izay no antony nahatonga ilay hoe tsy tokony hafangaro ny asan’ny fitondràm-panjakàna sy fitondràm-pivavahana. Hitantsika tsara ankehitriny fa ny FFKM ampiandraiketantsika an’io fikaonandoham-pirenena io dia lasa ho lehilahy lehibe tsy manara-dalàna raha tazonintsika io lalàmpanorenana amin’izao io. Tokony ravàna izany io lalàmpanorenana io ahafahan-drizareo miasa. Isan’ny mampikatso ny fampandrosoana ny asa amin’ny fikaonandoham-pirenena tsinona izany zavatra izany, ankoatran’izao tsy fandriampahalemana be dia be mandeha izao sy ny fifaninanana politika maro isan-karazany mbola misy eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Faritra 11 nisafidy Fanjakana tokana,

Card image cap
30-juil-2026

sahady no voatendry

Card image cap
30-juil-2026

ho filoha lefitra i Hasina Raveloson

Card image cap
30-juil-2026

amin'ny vehivavy ny CNFM

Card image cap
30-juil-2026

ambadika ny fanakorontanana

Card image cap