Ny sinibe iray rehefa vaky dia tsy atongilana na tampitampenana fotsiny, hoy ny FLN na Front de libération national, fa soloina tanteraka. Na iza na iza mpatsaka asainao mameno sinibe vaky dia tsy hahafeno izany mihitsy, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre. Raha mbola governemanta tendrena amin’io fahefàna io ihany, hoy izy, no tendrena amin’io fahefàna io dia ho very foana ilay rano. Rafitra misy fahalovana be, fahafaha-mandroba be, mangalatra be no navoakan’ny fitsaràna momba ny kaonty fa nisy teto hatramin’izay. Raha mbola io sinibe goaka io, noho izany, no iasàntsika rehetra dia tsy handeha mihitsy na isolo im-polo na im-piry aza ilay governemanta. Hiafara amin’ny fanendrena governemanta fiaraha-mitantana izao lalana izorantsika izao. Tsy hamela antsika amin’izao koa ny fianakaviambe iraisampirenena noho ny tombontsoany izay tsy maintsy harovany eto amin’ity firenena ity. Tsy maintsy hanery governemanta fiaraha-mitantana indray ny fianakaviambe iraisampirenena raha mbola toy izao no ho fitondrantsika azy! Ny setrin’ny fijoroan’ny Kolonely Michael Randrianirina tamin’ny fanoherana ireo tafika nanao ny tsy rariny teto amin’ny firenena tao anatin’ireny tolona ireny dia ny fahafahany naka ny fahefàna ho am-pelantanany. Ny setrin’ny tolom-bahoaka kosa dia ny tokony hisian’ny faharavàn’ireo rafitra tsy nahomby rehetra teto amin’ny tany sy ny fanjakàna. Filoham-panjakàna mpisolo toerana na «par intérim» no mitondra ary rafitra toy izany koa no itondràna ny tany sy ny fanjakàna. Ny fanapahan-kevitry ny herivelona rehetra sy ny vahoaka eto amin’ny firenena no ahafahana mitondra ny soridalana na «feuille de route» hitantanana ny tetezamita. Raha ny marina, ny firenena tahaka antsika rehefa afaka mametraka izay soridalana izay satria hitantsika izany ny 31 oktobra 1991, niainantsika ny taona 1975, dia izay no eken’izao tontolo izao hitondràna ny tany sy ny fanjakàna. Rehefa tsy mahavita isika dia manery antsika amin’ny alalan’ny SADC ny fianakaviambe iraisampirenena. Niantsika tamin’ny soridalan’ny 2009 izany. Tsy maintsy hiafara amin’izay koa ity antsika ity vao tsy maha tafavoaka soridalana eo isika samy malagasy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija