Mitaky sy mila ny fifampiresahana sy fifanatonan’ny rehetra ny lalan’ny zava-misy teto amin’ny firenena, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filànkevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Mila fitandremana ihany nefa, hoy izy, hoe tena avy amintsika malagasy ve ilay fihaonana? Sao sanatrian’ny vava noho ny fahatahorantsika ny avy any ivelany na fanerena avy any ivelany na fitiavan-tenan’ny sasany te hamerina ny zava-misy teto amin’ny firenena hoe nisy fifampiresahana dia sanatrian’ny vava ho an’ireto ihany fa ireto voahilika? Ny sasany voaantso hoe andao hiresaka dia mbola mametraka fepetra be dia be ihany hoe raha tsy tanteraka aloha ireto an’ny SADC sy firenena mikambana ireto dia tsy ho avy izahay. Tena vokatry ny fifankatiavana koa ve ny fampiantsoana sa vokatry ny fanerena avy any ivelany satria izay no tena mampatahotra? Aoka ho ny fitiavana firenena no hampifanantona! Ny hevi-bahoaka mihitsy no tokony alaina vao ny an’ny mpanao politika. Nisy olana foana teto amin’ny firenena dia ny mpanao politika foana no nantsoina hifampiresaka. Tena ao anaty fitiavan-tanindràzana ve ilay hoe fifampiresahana politika na «dialogue politique» sy fifanarahana politika na «accord politique»? Mpanao politika vaovao ve ireo miseho ankehitriny izao ireo? Vitsivitsy ihany ireo mpanao politika taty aoriana fa mbola ireo tany aloha no tena voaantso ary te haka toerana bebe kokoa. Ireo tsy nahita hevitra tany aloha ve mbola antenaina hahita hevitra amin’izao? Efa tsy nahita hevitra ireo tamin’ny 2002 sy 2009. Tsara ny fifanatonana na eo amin’ny vahoaka sy mpitondra io fa aoka mba ho anaty fitiavan-tanindrazana hoe hery iray isika fa tsy sanatria ahafahan’ny hery avy any ivelany hilalao. Lasa fomba fanaovana politika eto foana ny fivadibadihana loko sy palitao. Lasa kajikajy ho an’ny tena fotsiny ihany fa mba ahoana ny raharaham-bahoaka? Itodian’ny saina kokoa izao ny fifandonan-kevitra mikasika ny fanabeazana sy fampianarana eto. Mila itandremana koa io. Antoky ny fampandrosoana sy hoavin’ny firenena io. Potika ny firenena rehefa tsy tomombana ny fanabeazana. Lasa sanatrian’ny vava misy hery miisa 2 mifandona hoe fampianarana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakàna. Tena mijery ny mahasoa ny zanantsika ve isika raha izao no ataontsika? Fotoana tena hanehoana ny maha malagasy antsika izao manoloana ny fanatontoloana ka beazina amin’ny maha malagasy ny taranaka hoe izao no soatoavintsika, maha malagasy antsika, ny tantarantsika, ao anatin’izany ny tantaran’ny fanjanahantany. Mila fantatry ny taranaka izany hakàny lesona hoe izao no tsy tokony atao intsony sy tokony atao. Tsy ampy ny fahazoana diplaoma fotsiny fa mbola fanjanahana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija