nanentana ny vatan’ny malagasy tamin’ny 78 taona lasa hoe andao hiombona ho an’ny fanafahana sy fahafahan’ity Madagasikara ity ary ny vahoaka malagasy mihitsy, hoy ny mpanabe sady mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona, naneho ny heviny mikasika ny fanamarihana ny datin’ny 29 martsa 1947. Izay, hoy izy, no tao anatin’ireo raiamandrenintsika ireo. Fanilo tokony hiampita izany. Mbola miaina izany ve isika ankehitriny? Mbola misy izay fitiavan-tanindrazana izay marina ve ka hoe hiatrika ny fahavalo sa sanatrian’ny vava isika hifampifahavalo amin’izao fotoana izao? Hiatrika ny fahavalo isika sa hifampifahavalo? Tamin’izany fotoana izany hoe andao isika hiaraka hijoro hanohitra an’ireo olona hoe manjanaka antsika na mangeja antsika ireo. Ankehitriny kosa sao ny fisaraham-bazana no heverintsika fa fanehoana fitiavan-tanindrazana? Nifamelona, nifanentana tsara sy ny karazany ny malagasy tamin’izany fotoana izany. Fifamonoana ankehitriny no tena hita amin’ny fiainan’ny malagasy. Fitiavana ny hafa sy fiombonana no tamin’izany fa amin’izao fitiavan-tena. Izay ve ilay hoe fanilo? Sao tsy fanilo hanazava sy hitsilo ny lalana fa haizina sy setroka sisa miampita eto amin’ny firenentsika? Raha mbola velona teo ireo havantsika tamin’ny 78 taona lasa, ny fanahy tsy maty, hoy ny Ombalahibemaso, amintsika malagasy. Nanenina angamba izy ireo mahita izao zava-misy ankehitriny izao nefa sahy nanolotra ny ainy ho fanavotana satria amin’izao fotoana dia mifamono, mifandatsaka aina isika malagasy. Fotoana handinihana ny fitiavan-tanindrazana marina izao. Io ny tany. Ny fandorantsika an’io na ny famotehantsika an’io na ny fanararaotantsika io tany io satria eo ilay vahoaka malagasy mahantra ve no tena fanehoana fitiavan-tanindrazana sa ny fiombonana sy fiaraha-mijery ny zava-misy sy ny tena tokony ho lalan-kaleha mba hiarahana mandroso marina? Miantso antsika rehetra mba tena hifoha amin’ny fitiavan-tanindrazana marina hiatrehana ny tena fahavalo iombonana dia ny fahantrana. Tsy andro iray na hetsika iray no natao hampisehoana fitiavan-tanindrazana fa isan’andro, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na