airtel

Politique

11-juin-2026

Gerard Ramamimampionona

«Mila atsimbadika hoe vahoaka aloha vao fitondràna »

Sample post image

Tokony ho fantatry ny rehetra

11-juin-2026

ao anatin’ny atao hoe fitsinjaràm-pahefàna ny hoe avy aiza ny fahefàna dia tsinjaraina amin’iza, hoy ny mpitarika ny tetikasa Kianja maitso isaky ny kaominina, Gerard Ramamimampionona! Fantantsika tsara, hoy izy, fa ny tena tompom-pahefàna dia ny vahoaka. Raha misy izany ny fikaonandoham-pirenena dia isan’ny tena goavana ny famerenana izany eto amin’ny tany sy ny firenena satria isan’ny nanimba zavatra maro teto ny fanjanahantany. Lasa izay eo amin’ny fitondràna no heverintsika ho tompom-pahefàna nefa ireny ampindramim-pahefàna. Ny tena tompom-pahefàna dia ilay vahoaka masi-mandidy misafidy na manendry olona hitsinjaràna fahefàna. Manomboka any izany ny fitsinjaràm-pahefàna. Iny ilay tena ilàna ny hoe iza no atokisana hametrahana fahefàna? Ny fahefàna dia hery iray eo am-pelantanan’ny olona ahafahana manao na tsy manao zavatra. Tsinjaraina io. Ny lalàna no hahafahana mametraka hoe hatreto ka hatreto. Avy amin’ny hevi-bahoaka no tokony hisintonana ny lalàna raha tena tiana ny hahamarina tsara izany lalàna izany. Vao tsy ao an-tsaintsika fa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny fitsinjaràm-pahefàna dia tsy mety io. Tsy resaka vola hoe alefa mankatsy sy atsy io fa hoe fahefàna toy ny ahoana no ahafahantsika mandroso? Ny olana izao dia mivangongo be aty amin’ny foibe ny fahefàna. Mila atsimbadika izany hoe vahoaka aloha vao fitondràna. Ny vahoaka no raiamandreny, tompom-pahefàna sy to tena fa ny fitondràna mpanatanteraka hetahetam-bahoaka. Ny atao hoe fitondràna dia manomboka aty amin’ny fara-tampony no midina hatrany amin’ny fokontany. Adalàm-bahoaka koa nefa ny manaiky tolotolotra sy tambitamby fotsiny dia jamba avy eo tsy mahita hoe ity olona ity tsy mendrika omena fahefàna. Ifonana ny miteny izany fa izay nefa no izy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

Raha samy maneho ny fiheverany

Card image cap
11-juin-2026

tadin-dokanga momba ny fikaonandoham-pirenena! »

Card image cap
10-juin-2026

Mitohy ny toe-javatra kisampontsampona

Card image cap
10-juin-2026

fitsinjaràm-pahefàna Ben’ny tanàna amina

Card image cap