Ny notsoahana teto tao anatin’izay fotoana nipoahan’ny krizy teto amin’ny firenena izay moa izany dia hoe nisy fitondràna tsy tena nijery tsara ny fiainan’ny vahoaka, tsy nihaino, nanao izay tiany atao mihitsy, tsy niorenana tsara amin’ny maha firenena na repoblika antsika, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Lasa ankilabao mihitsy, hoy izy, ny vahoaka. Tsy nohenoina sy novaliana ny hetahetany dia nanao izay tiany natao fotsiny ny olona. Nanjaka ny kolikoly sy fitiavan-tena fa tsy nisy soa nankany amin’ny vahoaka. Olona vitsivitsy ihany no voakendry hahazo tombontsoa. Izay no nezahina notoherina. Ankehitriny isika dia mametra-panontaniana hoe fanorenana sa fanarenana sa fanavaozana? Ny fanarenana dia fananganana izay mianjera. Ny fanorenana kosa dia mila fametrahana fototra vaovao. Misy koa ny atao hoe fanovàna, izay mety mankany amin’ny ratsy io, mety mankany amin’ny tsara. Ny fanavaozana kosa tokony mankany amin’ny tsara ny tena heviny lalina kokoa. Miainga avy any ambony io. Toetsaina, rafi-pisainana, rafi-piarahamonina izay vao rafi-pitondràna sy rafi-panjakàna sy ny tariny rehetra. Mampametra-panontaniana nefa ankehitriny hoe mbola ao foana ve ilay toetsaina tia vola, tia tena, te haka toerana, ny kiantranoantrano? Sao ny olona fotsiny no nalàna fa tsy ilay fomba fanao? Ilay rafitra sy fomba fanao sao nijanona ihany? Ny lalàna mifehy ny tetibola fotsiny dia efa tokony hahataràfana hoe tena mankany amin’ny fanovàna marina ve isika? Any amin’ny andehanan’ny vola no misy asa atao fa io vola io koa mety any amin’izay misy akama no tena andefasana azy betsaka. Manahirana ny miheritreritra an’izany. Amiko rehefa miresaka fanorenana dia tokony fanontaniana mipetraka voalohany ny hoe tena vahoaka tsara ve aloha no resaka? Toa ilay rafitra eo ambonimbony no tena amboarina sy hiazakazàhana? Tsy misy fanorenana azo antenaina anatin’izany. Misy fitenenana izay mihitsy moa hoe «Tandremo fa ratsy kokoa ny fitaka faharoa noho ny voalohany!». Mila jerena hoe inona tamin’ny teo aloha no mety sy tsy mety fa tsy hoe izay teo aloha dia fafao daholo! Tsy ny malagasy no tokony hiady fa ny fomba fanao tsy mety no tokony hiadiana! Ny tena zava-doza eto amin’ny firenena dia raha raisina ohatra ny nosy manodidina hoe samy manana ny hevintsika isika amin’io. Araraotin’ny hery any ivelany idirana sy hitsabahana ny raharaha ato anatiny io fizarazaràna na fisaratsarahana io. Toy izany koa ny hoe ny sasany miditra, ny sasany mivoaka dia mifanenjika eo. Ny tena fiombonantsika no andresena ny fitsabahan’ny any ivelany. Ohatran’ny tamin’ny andron’ny fanjanahantany izao dia ilay malagasy nanomboka niady sy nisy namadika no nahitàn-drizareo irika nidirana teto. Miditra ao ambadika ny tandrefana dia ao ambadik’izay koa ny tantsinanana. Tsy dia isika olombelona malagasy loatra no maha maika an’ireo fa ny harena eto amintsika. Zava-doza rehefa mbola tsy tena miombona tsara isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena