miasa ary tsy maintsy mahita vokatra azo tsapain-tanana ity hoy ny resaky ny praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo matetika. Dia tena misy tokoa aloha ny minisitera hita hoe miasa, mahavita zavatra mivaingana ary mampita vaovao sy miezaka mampahafantatra amin’ny vahoaka ny zavatra nataony. ANGOVO SY RANO Raha natao ny fanadihadiana tsotsotra dia minisitra 5 aloha tao anatin’izay roa volana niasan’ny governemanta izay no tena fantatry ny olona, ny dikan’izany dia hoe matetika hita sy re amin’ny vaovao, misy asa sy zavatra nataony nahaliana ny olona ary mazava ho azy fa be mpiresaka any anaty tambazotra sosialy. Tsy iza moa izy ireo fa Rtoa sy Atoa isany RALITERA Ny Ando Jurice (Minisitry ny angovo sy ny akoranafo), izy no mafy asa voalohany tsy maintsy nikaroka ny vahaolana amin’ny delestazy sy ny tsy fahampian-drano. Nifampidinika tamin’ny mpiasan’ny Jirama, niresaka tamin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Hita mivaingana fa nihena ny delestazy ary manomboka mivaha tsikelikely ihany koa ny famatsian-drano. Departemanta tena saropady ny azy satria io no niatombohan’ny fitakiana nivadika ho tolom-bahoaka ka nampandositra ny filoha teo aloha.
TSY EKENA INTSONY NY TSY MATY MANOTA
Ny minisitry ny fitsarana Fanirisoa Ernaivo dia niasa mafy ary mbola miasa mafy amin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna.Tsy azo ekena intsony ny tsy maty manota eto, hoe nanao ny tsy nety dia mifoana na mistaooaka any ivelany dia vitavita ho azy. Io migadra any Maurice io izao ilaympanefoefo Mamy Ravatomanga, ho avy ihany koa ny raharaha Andry Rajoelina , maka saina any amponja Rtoa Rinah Rakotomanga ary efa nosamborina natao fanadihadiana ny jeneraly Richard Ravalomanana. Miasa ny fitsarana ary tsy misangy amin’ireo mpambotry firenena sy nanao ny tsy mety na iza izy na iza.
MISIA NY MAZAVA
Tsy dia fanta-bahoaka loahtara hatramin’izay ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy saingy malaza izy ankehitriny ary mitombo ny fahatokisan’ireo mpianatry ny oniversite azy. Vitany ny nikaroka mpiara-miombon’antoka sy mmpiara-miasa ka nahafahana nametraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ny oniversitem-panjakana rehetra manerana ny nosy. Vokatra tena mivaingana ary hisy akony tsara any amin’ny fiarana, ny asa ary ny fikarohana atao eny amin’ny anjerimanontolo izany. Manampy izay dia zava-dehibe ho an’ny firenena ny fiampitana tsikelikely any amin’ny angovo madio ary tena politikam-panjakana mihitsy moa izany amin’izao fotoana.
INTERNET HO AN’NY REHETRA
Raha nisy ny zavatra nampimenomenona teto dia ny hoe lafo ny saran’ny internet eto Madagasikara. Nisy avy hatrany ny fifampidinihina sy fifandresen-dahatra nifanaovan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra Andriamampiadana Mahefa tamin’ireo orinasa lehibe amin’ny fifandraisan-davitra. Tena tsy mora ny satria vola sy tombom-barotry ny orinasa no resaka eto. Hita sy tsapa anefa fa nahavita nandresy lahatra ireo orinasa ireo ny minisitra sy ny ekipany. Tsy hoe betsaka ny fidinan’ilay sarany fa mba efa hitan’ny fahasalaman’ny paosy ihany kosa aloha. SERASERA Mpanao gazety, mpanentana fandaharana, lasa solombavambahoaka ry voatendry ho Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina i Gascar Fenosoa.Izy ihany koa no mpitondra tenin’ny governemanta, mahitsy sy mivantana fiteny ary tena hita hoe olon’ny serasera marina fa dia efa ho isan’andro no ahitana sy andrenesana azy amin’ny filazam-baovao sy ny tambazotra sosialy ; manamafy sy manazava ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanovana. Miezaka ny departemanta tantanany hametraka amin’ny toerana mendrika azy ny haino aman-jerim-pirenena (RNM sy TVM) manerana ny nosy.Nisy ny fampitaovana, fanatsarana, fanamboarana sy fametrahana tompon’andraikitra tena hiasa tokoa ho an’ny tombotsoa iombonana fa tsy hisolelaka amin’ny fanjakana fotsiny tahaka ny nahazatra tany aloha. Tsy misy ny tonga lafatra ary tsy sanatria hoe fanavakavahana fa mila tenenina kosa hoe iza no tena miasa, solika ho an’ny hafa izany mba hampitomboana ny ezaka atao.Asa ho an’ny vahoaka malagasy , asa ho an’ny tanindrazana no atao ary tena mila fanovana be raha te hahazo vokatra tsara fa tsy mamerina ny fomba fiasa tsy namokatra nataon’ny teo aloha.
RTT