airtel

Politique

23-août-2024

Governemanta

14 vaovao, minisitra 7 natao sorona…

Sample post image

Miisa 29 ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta, izay ahitana Minisitra 26, Minisitra delege 1,

23-août-2024

Sekreteram-panjakana miisa 2, ka ny 50% vehivavy. Miisa 14 ireo mpikambana vaovao ahitana ny Minisitry ny Fitsarana Rakotomandimby Benjamin Alexis nisolo, Minisitry ny Atitany : Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana izay Adminisitera sivily efa Talen’ny mahaolona teo anivon’ny Minisitera, prefen’Ambatondrazaka,.. Minisitry ny Fampianarana Ambony Dr Chaminah Loulla, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak'asa Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Hajarison François Sergio, ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra Ralambofiringa David Herizo efa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny vondron’orinasa matanjaka toy ny SMTP sy SIPROMAD ary ny maro hafa, Minisitry ny Asa vaventy Rafidison Richard Théodore izay governoran’Atsinanana teo aloha, Minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana Dewa Viviane. Minisitry ny mponina sy ny Firaisankina : Razafinjato Aurelie Marie Augustine, Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra Stéphanie Delmotte izay efa Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha, ny Minisitry ny Rano fahadiovana sy fidiovana Andrianamelasoa Lalaina, Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena Abdulah Marson Moustapha, minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Volamiranty Donna Mara. Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika miandraikitra ny Fahaleovantena ara-tsakafo kosa Tahina Razanamahefa izay lisitra faharoan’ny IRMAR tamin’ny fifidianana depiote tao amin’ny Boriborintany voalohany. Depiote vao lany teo ny 3 amin’izy ireo dia ny Minisitry ny serasera, Minisitry ny fampianarana teknika, Minisitry ny fanabeazam-pirenena.

15 VOATAZONA
Voatazona kosa ny Minisitry ny Foloalindahy Général de Division Sahavelo Lala Monja Delphin, raharaham-bahiny : Rasata Rafaravavitafika, Fitsinjaram-pahefana : Naina Andriantsitohaina, Toekarena : Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala izay nisafidy ny hiverina ho minisitra fa tsy nanao depiote ; Filaminambahoaka : Contrôleur Général de la Police Rakotoarimanana Herilala, Fahasalamam-bahoaka : Pr Randriamanantany Zely Arivelo ; Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro : Ramonjavelomanambahoaka Valery, Angovo sy ny Akoran'afo : Olivier Jean-Baptiste, Asa, fampananana asa, asam-panjakana : Razakaboana Hanitra Fitiavana, Harena ankibon'ny tany : Rakotomalala Herindrainy Olivier, Jono sy Toekarena manga : Mahatante Paul Bert, Tontolo iainana : Max Andonirina Fontaine, Minisitra délégué misahana ny zandarimaria : Jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Voatazona ho Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàana Vaovao sy ny Toeramponenana : Gérard Andriamanohisoa.

MINISITRA 7 NO TENA NAHINTSANA MIVANTANA
Tamin’ireo toerana 7 banga noho ireo Minisitra natao kandida depiote, dia ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ihany no niverina ao anaty governemanta dia Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle raha toa ka efa manana andraikitra anaty birao maharitra sy vaomiera ao amin’ny Antenimierampirenena Atoa Tokely Justin, Augustin Andriamananoro, Haja Resampa, Fomendraza Haingo Elysette, Andriamantena Razafiarison. Tsy anaty lisitra intsony kosa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay tsy lany depiote tany Faratsiho. Nesorina ny Minisitry ny fitsarana Landy Mbolatiana Randriamantenasoa izay nitazona minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena. Tsy voatazona ny Minisitry ny rano Fidiniavo Ravokatra raha toa ka tafajanona ny Minisitry ny angovo Olivier Jean Baptiste izay mitazona toerana izay isan’ny tena miteraka fimenomenonana ankehitriny. Tsy tafajanona ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Kolonely Andrianatrehina Livah, ny Minisitry ny fambolena Ratohiarijaona Suzelin, ny minisitry ny paositra Tahina Razafindramalo, ny Minisitry ny fizahantany Joël Randriamandranto. Tsy maintsy niala tamin’ny toerany ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Edgard Razafindravahy noho izy voafidy ho Sekretera Jeneralin’ny COI, ary olona efa nitana andraikitra lehibe tamin’ireo orinasa vahiny manana tanjaka ara-toekerana eto amintsika kosa no mandimby azy. Minisitra 7 izany no tena nahintana satria ny 6 tamin’ny 7 banga no tsy maintsy nosoloina satria nijanona ho depiote, ny iray nanao kandida sady tsy lany depiote no tsy naverina ho Minisitra, iray tsy maintsy niala noho ny andraikitra hafa. Ireo 7 izany no tena tsy nahomby sa ireo no natao sorona sy namaharana ny tsy fahombiazana hatrizay mba hanehoana fa tena nisy fiovana ao anaty goverenemanta? Hisy ve ny fahagagana ?
Toky R

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap