airtel

Politique

22-mai-2025

Guy Maxime Ralaintseheno

«Manomboka miavaka izao ny vary sy tsiparifary»

Sample post image

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

22-mai-2025

na «cellule de crise» Diovy i Madagasikara, Guy Maxime Ralaintseheno, ny hanoherana ny tetikasa Base Toliara. Fantantsika, hoy izy, fa misy lalàna mifehy ny fitrandrahana ary ankoatran’ny lalàna anatiny dia isany koa ny lalàna iraisampirenena. Ity fitondràna izao ity no isan’ny nanohitra ny Toliara Sand. Anaran’ny Base Toliara taloha izany. Notoheriny koa ny fitrandrahana volamena tany andrefana dia ny tao Soamahamanina. 60km miala an’Antananarivo izany. Ny adihevitra tamin’izany teo amin’ny resaka fiantraikany ara-tontolo iainana ka nanoherana ilay tetikasa dia ny fandavana fotsiny ny fampiasana akora simika hanadiovana ilay volamena. Ny an’ity ao Toliara ity indray dia ny aavon’ny tahan’ny «Radioactivité» na akora manimba avoakan’ilay fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na «extraction minière» no fototry ny olana satria dia voambara ara-tsiantifika tamin’ireo andrana rehetra natao fa avo dia avo tsy mifanaraka amin’ny fenitra ifanekena eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany. Maro ny hazo arovana sy ahiana ho lany tamingana ao amin’io Akilimalinika sy Benetsy io. Raha ilay fitondràna nanakana tamin’izany fotoana izany no miteny androany fa sakana ho an’ny fampandrosoana ny mpanohitra dia hita izany fa tena mifanohitra mihitsy amin’ny toetsaina entina manao politika eto Madagasikara. Harena iombonana izany harem-pirenena izany. Tsy maintsy henoina ny hevitry ny maro an’isa, toy ny nihainoana ny hevitr’i Soamahamanina, ny hevitry ny tany Fenoarivo atsinanana mikasika ny fitrandrahana fasimainty, ny tany Vatomandry. Nitsahatra avokoa izany tetikasa izany satria misy olompirenena mivelona sy miasa ary ny fihariany dia ao anatin’izany faritra kasaina hanaovana tetikasa izany. Tadiavina ho potehina sy ravaina anaty fotoana fohy ho an’ny tombontsoa manokana. Tsy mbola nahitàna ny atao hoe «décentralisation budgétaire» na fitsinjaram-bola ho an’ny faritra, hatramin’izay itony tetikasa goavana itony teto Madagasikara, fa tsy maintsy giazan’ny fanjakàna foibe. Na 180 tapitrisa Euro io na 80 tapitrisa Euro isan-taona na 200 tapitrisa Euro isan-taona. Inona tamin’ny tetibolam-panjakàna no tonga tany amin’ny faritra atsimo raha ny faritra Anosy fotsiny no resahintsika mikasika ny fitrandrahana ny QMM? Toy izany koa ho an’ny faritra Atsinanana, raha ny mikasika ny tetikasa Ambatovy fa dia lany tanaty tetibolam-panjakàna amin’ny atao hoe «gaspillage» na fandanindaniam-poana fotsiny ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy. Ho potehina sy ho trandrahana ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy indray izany izao ny Base Toliara. Tsy rariny sy tsy azo ekena izany! Mamono ny taranaka io tetikasa io. Fitondràna inona no mitondra ny vahoakany ho amin’izany? Fitondràna tsy mihevitra afa-tsy tombontsoany manokana sy ny manodidina azy no manao izany. Ho an’ny tombontsoan’ny frantsay satria Rajoelina frantsay. Ho an’ny tombontsoan’i Etazonia. Ny mpanohitra sadasada ihany no tsy sahy maneho hevitra manoloana raharaha goavana tahaka itony. Ohatra amin’izany ny HVM, izay nanome alalana ny fitrandrahana ny Base Toliara. Toy izany koa ny antokon’ny fanoherana anaty Firaisankina izay tsy namoaka feo mikasika ny toerana misy azy mahakasika io raharaha Base Toliara io satria izy no nanome alalana ny QMM. Tadidintsika izany tamin’ny fitondràna Ravalomanana. Izy koa no nanome an’Ambatovy. Manomboka miavaka izao ny vary sy tsiparifary ary manomboka mihaino ny vahoaka malagasy hoe aiza no hampiaina ny hoavy politika eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

Card image cap
10-juin-2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

Card image cap
05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap