airtel

Politique

07-mai-2025

Hafampana didin’Iavoloha anio

Mamofompofona fanapahan-doha any an-toby…

Sample post image

Mbola betsaka ny sangodim-panina manodidina ny raharaha ampamoakan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy.

07-mai-2025

Taorian’ny filazan’ny filoham-pirenena fa tsy tokony hampidirina amin’ny raharaha manokan’ny olona iray ny vady aman-janany ka nanomezana baiko ny hamoahana ny vadin’io manamboninahitra io, hita tamin’ny pejy manokan’i Andry Rajoelina omaly ny serasera hafa manodidina iny toe-javatra iny. « Tsy azo ekena hoe olona iray izay mbola atao fanadihadiana, ary ao anaty toby, kanefa tafatsoaka. Tsy maintsy mandray fepetra hentitra sy haingana amin'izay nanao tsirambina sy voakasik'izany ny tompon’andraikitra. Rehefa misy zavatra tsy mety sy tsy tomombana, dia tokony harenina haingana. Ary tsy tokony hiseho intsony ny tranga toa izany », hoy io soratra io, izay nisy lafika na « fond » niloko volomboasary ny soratra, toa fomba fanaovana serasera tsy dia fahita firy tao amin’ny pejin-dRajoelina ny endriny. Hamafisina hatrany, toerana stratejika ny Toby Ratsimandrava, tsara fiarovana,… ka sarotra ny hino fa ho tafaporitsaka tao io manamboninahitra io raha tsy nisy nanampy azy mivantana na ankolaka avy tao anatiny. Nambaran’io kolonely io rahateo, fa misy zandary marobe miaro azy. Henjana sy midika zavatra goavana izany amin’ny lafiny ara-miaramila sy ara-tafika, ary efa karazana fandrangarana hery, taratry ny lonilony sy mety fisamatsamahana sy fahasosorana tsy voalamina any an-dakazerina ? Raha ny loharanom-baovao, mafampana ny toe-draharaha any anaty Etamazaoro politikan’ny Fitondrana. Tompon’andraikitra ambony maromaro no re siosio fa miozongozona sy mety ho tratry ny rivodozan’ny fanesorana mandritra ny filankevitry ny Minisitra anio noho ity toe-javatra ity. Tena hisy ihany koa ve ny fanapahan-tenda izany hoe : fahasahiana hanao fanenjehana sy fandetehana ireo sokajiana ho nanao tsirambina tamin’io afera io ? Hanaovana serasera ofisialy hoe iza ? Firy ?
VITAVITA HO AZY AMIN’NY SERASERA ?
Anisan’ireo notononin’ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy ho mpanao kolikoly ary noresahana hatramin’ny heverina fa fiainana manokana sy fanomezana vahana olona akaiky azy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Sahivelo Monja Delphin. «Fitondra-tena mivoana amin'ny maha miaramila, ary indrindra amin'ny maha manamboninahitra ny fihetsika nataon'ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Noho ny fampielezana vaovao tsy marina dia voasoketa ny mpiara-miasa amin'ity manamboninahitra ity, ary manoloana ny zava-niseho izay niparitaka teny amin'ny tambanjotran-tserasera dia mitodika any aminy, sy any amin'ny andiany nivoahany, ary any amin'ny sekoly nianarany ny mason'ny mpanara-baovao, hoy ny minisitra Jeneraly Sahivelo. Samy miaro ny tenany, samy manadio ny tenany, raha toa ka mitaky fanadihadiana mahaleotena sy sazy henjana ny Firaisamonim-pirenena toy ny Transparency International. « Efa namaly ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, tompon’andraikitra maro no voatanisa, efa miroso isika amin’ny fanadihadiana mikasika izany, dia ho hitantsika eo ny tohiny. », hoy ny Praiminisitra omaly teny amin’ny Antenimierampirenena. Asa fanadihadiana tena hisiana fivoahan’ny marina sy fandraisana andraikitra sa resaka ambony latabatra sy vono afo tahaka ny hita hatrizay ?
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap