airtel

Politique

08-nov-2022

Politique

Hafatry ny minisitra ho an’ireo diplaomaty “Tokony hanana kalitao hiaro ny tombotsoam-pirenena”

Sample post image

Nandritra ny fanangan-tsaina fanao isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana iarahan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny mpiasa no nampahatsiahivan’ny Minisitra mpisolo toerana Jeneraly Rakotonirina Richard,

08-nov-2022

fa toy ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena izay sahaniny dia Minisitera misahana ny fiandrianam-pirenena ihany koa ity Ministera ity. “Manana adidy amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fametrahana ny hambompom-pirenena ny tsirairay amin’ny fampijoroana ny fanjakana Malagasy, mba ahafahanan’ireo firenena rehetra mahita an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy izy. Notsindriny ny « kalitao tokony hananan’ ny diplomasia Malagasy » mba tena hiaro hatrany ny tombotsoa ambonin’ny firenena indrindra amin’ny fanehoan-kevitra sy ny fandinihana ny zava-misy manolana ireo ambana maro lafy mba ho fiarovana hatrany ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy manoloana ny zava-misy maneran-tany. Nambarany fa anjaran’ny tsirairay araka izany ny mijery ny fahamarinan-toerana sy fampijoroana ny firenena satria izay no andrasan’ny fitondram-panjakana amintsika. Nohamafisiny ihany koa ny fanatsarana ny kalitao ny diplomasia Malagasy amin’ny fiarovana ny ato anatiny. “Maro ny zavatra iarahana miasa sy midinika ahafahana mitondra fampandrosoana sy vahaolana eo amin’ny lafiny fifandraisana amin’ireo firenena any ivelany ka manana adidy amin’izany isika diplomaty rehetra efa matihanina amin’izany sehatra izany”, hoy io Minisitra mpisolo toerana io. Nambarany noho izany, fa tsy maintsy mihetsika amin’ny fampiroboroboana ny diplaomasia Malagasy, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny mpiasa eo anivon’ity minisitera ity. Mila tadiavina hatrany, hoy izy, ny fomba rehetra ampandehanana ny fifandraisana amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa izay ahitana ny Commision de m’Océan Indien (COI), ny Southern African Development Community (SADC) ary ny Indian Ocean Rim Association (IORA). Tsara moa ny manamarika fa olona faha-6 mitantana ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy ny tenany ka asa hoe: marin-toerana ve ny Diplaomasiantsika eo anatrehan’izay? Tao anatin’ny 4 taona isika, ambasadaoro 5 no voatendry, ary ny fampanatenana vao ny oktobra teo nataon’ny Filoham-pirenena dia hatsangana haingana ny masoivohontsika any Maraoka,… Ny resaka dinika momba ny Îles Eparses moa toa tsy hita izay tena fandehany, ary tsy amin’izao Fanjakana Rajoelina izao mihitsy no heverina fa hahazoantsika vokatra azo tsapain-tànana,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap