airtel

Politique

25-sept-2025

HAJO ANDRIANAINARIVELO

« Avelao haneho hevitra ny olona »

Sample post image

Tokony avela malalaka haneho hevitra ny olona,

25-sept-2025

raha ny fijerin’ny antoko Malagasy Miara-Miaina (MMM) sy ny tenako manokana hoy i Hajo Andrianainarivelo satria izay no maha tany demokratika antsika. Aoka re vahaolana no entina fa mba atsahatra amin’izay ity ramatahora ity,hoy izy. Ny tompon’andraikim-panjakana dia tokony hiaro ny zo fototra, rano jiro, ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fampianarana , fahasalamana fa tsy sanatria hanitsakitsaka ny fahazoana izay zo fototra izay hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MMM. Izahay ato amin’ny malagasy Miara-Miainga dia nandray anjara foana tamin’ny fitakiana ny rariny sy ny hitsiny teto amin’ny firenena ary mbola handray anjara amin’ny manaraka raha mbola tsy voahaja izay rariny sy hitsiny izany ho izy.
RTT
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Hotanterahina ny 29 sy ny 30 Jolay

Card image cap
27-juil-2026

Tsy manaisotra ny adidin’ny fanjakàna

Card image cap
23-juil-2026

fahefan’ny mpanatanteraka ny depiote

Card image cap