miha maloto ny tanàna, mitombo isa ny zaza tsy miditra an-tsekoly, mibaribary be andro mazava ny halabato fa mbola mirehareha ihany ny mpitondra fanjakana hoe mandroso Madagasikara ary mety ny fomba fitantanana ny firenena. Tsy misy fanetren-tena na dia kely azy, tena hoe tsy mivaky loha amin'izay hevitry ny hafa , na ny menomenona , na ireo fitarainana maro be fa dia lazaina fa fanakorontanana ireny. Ny mpiara-miombon'antoka sy ireo mpamatsy vola efa mailo ka mitandrina amin'ny fanomezana vola sy fanampiana an'i Madagasikara.Samy efa mahafantatra daholo mantsy hoe ampiasaina hampisongadinana ny antokon'ny fitondrana ny fanampiana tokony ho an'ny malagasy sahirana. Dia ireny filaharam-be tazana teto Antananarivo ireny rehefa vita ny fifidianana. Eto ihany no misy an'izany hoe, vita ny fifidianana , ny ampitson'iny dia misy filaharam-be satria misy fizarana vary, menaka, paty maimaimpoana. Miha mazava tsara amin'izay ankehitriny hoe nahoana no atao volana novambra sy desambra ny fifidianana, mba atao fialana bala hoe fanampiana, sy tosika kely mialohan'ny fetin'ny krisimasy sy faran'ny taona ireny fa tsy takalon'ny vato narotsaka. Tafiakatra ambiny dia ambony ny fanararaotana ny fahasahiranana sy ny tsy fahampian'ny fahalalan'ny Malagasy..Sarotra ny inoana hoe ekipa efa nitondra nanomboka ny taona 2010 ary hita fa tsy nahomby no hampiakatra tampoka ny fari-piainan'ny malagasy ato anatin'ny 5 taona manaraka indray. Etsy ankilan'izay miha sarotra ny fifandraisana iraisam-pirenena, ka raha firenena midororororo tahaka an'i Madagasikara amin'izao fotoana dia ho ataon'ireo maventy ho tohatra fiakarana sy fakàna akora fotsiny. Mazava ny resaka eto fa izay ahazoana fandresena sy ijanonana maharitra eo amin'ny fahefana no mahamaika ny mpitondra fanjakana fa tsy ny fampandrosoana ny firenena. Aleony mizarazara sakafo toa izay mandrisika sy manampy ny Malagasy mba hiasa sy hamokatra. Tsy omena famaneazana ampy ny vahoaka, amin'izay mora lalaovina ny sainy, tsy afaka mandinika lavitra fa izay hihinanana ihany aloha, izay mpamatsy no lasa tompoina. Tena sanatria averina any amin'ny fanandevozana ve ? Ka izay hetaheta sy vetsovetsom-pon'ny mpanjaka no tanterahana, izay manan-kevitra hafa dia hoe mpamadika ka tapahan-doha ? Inona no fandrosoana amin'izany ? RTT
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia