fitondràna ahitàna hery politika toy ny ACS sy mpikamban’ny kaongresin’ny tetezamita teo aloha na FMKT, ny sendikan’ny mpiasa toy ny FISEMARE sy Randrana sendikaly izay mivondrona anatin’ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy na KIMM ary ny HPM. Nisaotra ireo raiamandreny ara-panahy izy ireo nitsinjo sy nijery ny zanany dia ny mpino ka mampaneno lakolosy fanairana manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny malagasy vokatry ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Miakatra isan’andro, hoy izy ireo, ny vidim-piainana. 4000 Ariary, ohatra, ny vary 1kg. Tsy misy fandriampahalemana na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena toy ny volamena sy sokatra. Sempotra sy sahirana ny mpiasa malagasy noho ny tsy fisian’ny fiakaran-karama tao anatin’ny 4 taona. Tsy misy famoronana asa ho an’ny tanora malagasy. Fahatapahan’ny herinaratra lavareny sy rano tapaka no manerana an’i Madagasikara. Fifidianana tsy mangarahara, feno hosoka. Mila vahaolana haingana, maika, hentitra ny firenena malagasy ao anatin’ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra izay andraisan’ny vondron-kery rehetra anjara. Ny vondrona HPM, ACS, FMKT, KIMM dia miantso ny mpitarika herivelona rehetra tsy an-kanavaka hiara-hikaon-doha, hanatrika sy handray anjara amin’ny fivoriana atao ao amin’ny Arrupe Faravohitra ny zoma 17 janoary 2025 manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Ny fanavotam-pirenena no tanjona ka matoky ny fitiavan-tanindrazana misy amintsika amin’ny alalan’ny fahatongavantsika marobe, hoy hatrany izy ireo. Tsy manavaka ny fanasàna, hoy ny filohan’ny KIMM, Dr Jules Andriamaholison. Inoanay, hoy izy, fa ao amin’ny fitondràna ao dia misy malagasy koa izay tsara fo, tia tanindrazana. Resahina foana, hoy ny mpitarika ny ACS, Pr Ralison Roger, ny hoe hanongam-panjakàna. Rehefa izahay ve izany no mihetsika dia hoe hanongam-panjakàna, hoy izy? Ny alarobia teo izao nisy fanambaràna tamina hotely iray nataon’ny mpanohana fitondràna. Niteny mihitsy ireo hoe gadrao sy ny namany izay manao an’izao fa izahay angaha naninona? Maninona no rehefa hoe izahay hivondrona hanambatra hery hiadiana amin’ny tsy rariny hitsinjovana ny vahoaka satria adino foana ny vahoaka dia hoe hanongam-panjakàna ve? Potika ny firenena dia ho jerena fotsiny amin’izao ve, hoy hatrany ireto herivelona ireto.
Nangonin’i J. Mirija
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara