airtel

Politique

14-sept-2026

Hery Rajaonarimampianina

"Ny tsy ampy amintsika Malagasy

Sample post image

dia ny hambom-po iombonana"

14-sept-2026

Saika nanotrona ny HVM avokoa ny antoko politika maro eto amin'ny Firenena toa ireo antokon'ireo collectif descandidats tamin'ny 2023 ahitana ny FTT, TIM, FMI-Malagasy, ARB, Tsara Tahafina,... nandritra ny famaranana ny Kongresim-paritany ho an'ny Faritanin'Antananarivo nataon'ity Antoko ity teny Itaosy ny sabotsy 12 septambra 2026 teo. Tahaka izany koa ireo antoko maro misy eto amin'ny Firenena. "Marina fa manana ankolafy maro samihafa isika fa ny iraisantsika dia ny Tanindrazana. Misokatra amin'ny ankolafin-kery samihafa ny HVM, mandala ny fihavanana,... izay tokony hitondra ny Firenena amin'ny fitoniana. Nanipika ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa mila fitoniana ny Firenena, mila mijery lavitra isika fa tsy ny androany fotsiny. " Rehefa mitondra Firenena dia mila mijery lavitra, izany indrindra no antony namolavolana sy nanolorako ny Fisandratana 2030, izay vinam-pampandrosoana maharitra, mifanaraka amin'ny filàn'ny Firenena sy ny vahoaka malagasy. Tsy kivy isika satria tsapako fa mbola misy fanantenana ho an'i Madagasikara, ary mino aho fa tsy maintsy mbola hisandratra i Madagasikara", hoy hatrany i Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy fa ilaina ny tan-dalana ka tsy maintsy apetraka sy iainana eto izay vao afaka miara-miasa amin'ny mpiara-miombon'antoka. Mitaiza ny olom-pirenena amin'ny fotokevitra ny HVM. Nomarihiny fa zavatra tsapa sy niainana rehefa tafaresaka amin'ireo mpiara-miombon'antoka samihafa any ivelany raha vao miresaka fampiasam-bola sy fiaraha-miasa ny hoe fantatra fa mahafinaritra i Madagasikara, fa moa tena misy Fanjakana tan-dalana sy afaka miaro sy miahy azy ireo ve ny Fitsarana aty an-toerana. Ara-politika, naneho ny tsy tokony hamaliana ratsy ny ratsy ny tenany, ary tokony hitandrina amin'ny fifasana vangy sy fifandranitana samihafa. "Aza mamaly basy ny ratsy, aza mamaly herisetra ny herisetra,...", hoy i Hery Rajaonarimampianina raha nampahatsiahy ny nilanjana vatam-paty fony izy teo amin'ny 2018. Mila mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety, ny tsara sy ny ratsy. Resaka mahasoa no tokony hatao fa tsy resaka mirefarefa. Ady amin'ny fangejana sy fahalahana no atao, fahalalahana ara-politika, fahalalahana miasa sy mandraharaha ho an'ny olom-pirenena,... Niantso ny tanora hijoro, tsy hanaiky horabirabiana fa hampiasa ny fahaizany ny talenta ho azy, ho an'ny Firenena. Mila manova toe-tsaina manomboka amin'ny isam-batan'olona. "Andao hifalo-tanana amin-kitsim-po hanavotra ny Firenena. Izaho mandeha eran'izao tontolo izao. Mahita ny fandrosoana ka marary ny foko maheno fa mihemotra isika,... Ny tsy ampy amintsika Malagasy tamin'ny fanadihadiana nataoko niaraka tamin'ireo manam-pahaizana maro eran'izao tontolo izao dia ny hambom-po iombonana, nahoana no niady ny tany Vietnam, tany Korea,... tafavoaka izy? Satria tsy maintsy mila ady amin'ny any ivelany vao hitambatra sy handroso ? Be loatra ny fitiavan-tena, be loatra ny tsy fijerena ny tombotsoa iombonana, mila miaraka sy miasa,... ", hoy i Hery Rajaonarimampianina. Nomarihiny fa tsy fotoana iresahana fotsiny izao fa fotoana andraisana andraikitra ka nandrisihany ny fandraisana anjara amin'ny fikaonandoham-pirenena m-pirenena. Manantena ny hiverina eo amin'ny Fitondrana ny HVM, izay nilaza tamin'ny alalan'ny Filoha mpanorina fa tsy ny fositra no tsy hambolem-boavahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap