airtel

Politique

22-nov-2023

Hery Rajaonarimampianina

« Very hasina ny fahalalahana sy ny soatoavina »

Sample post image

Mahamenatra ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara.

22-nov-2023

Ny fahafahan'ny olom-pirenena tsirairay mihitsy no voatohintohina, ilay fifampitondrana eny amin'ny fiarahamonina mihitsy no ezahina simbaina, hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina eo anatrehan’ny fanakanana ny fiarahana manao fanateram-boninkazo ataon’ireo vehivavy maro ho fanomezam-boninahitra an’i Ninie Donia. « Eto Madagasikara irery ihany no ahitana izany hoe : "Voarara ny mametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana olona nodimandry.". Ankoatra ny politika, aoka tsy ho adinoina fa olona mandala fihavanana sy tena manaja fatratra ny fiarahamonina ny malagasy, tsy mifanary na an-kafaliana na an-karatsiana fa mifanohana hatrany », hoy i Hery Rajaonarimampianina. Maro, hoy izy, no maniry hanao veloma farany an'i Ninie Donia, saingy iaraha-mahita ny elanelan-tany; ka ny fametrahana fehezam-boninkazo eny Ambohijatovo no endrika anehoan'ireo fikambanam-behivavy ny fiaraha-miory amin'ny fahalasanan'ity vehivavy mahery fon'ny Firenena ity, saingy izao sakanana noho ny resaka politika izao. Very hasina ny fahalalahana, very hasina ny soatoavina malagasy. Tsy azontsika ekena izany, hoy io Filoham-pirenena teo aloha io naneho ny heviny.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap
13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap