airtel

Politique

08-juil-2025

HETRAN-TRANO SY TANY ALAIN’NY FANJAKANA

Tena sahirana ny kaominina, hoy ny Ben'ny tananan'Ankadimanga

Sample post image

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mikaikaika ny amin'ny fanapahan-kevitry ny

08-juil-2025

Fitondram-panjakana maka ny hetran-trano sy tany eny anivon'ny kaominina ireo Ben'ny tanana, izay tsiahivina fa lasa aterin'ny vahoaka eny amin'ny ivon-toerana fandoavan-ketra. Tena sahirana ny Kaominina hoy Razafinanja, Ben'ny tananan'Ankadimanga Atsimondrano vokatr'izany. Na ny karaman'ny mpiasa aza hoy izy mila tsy ho voaloha intsony. Tamin'ny Fetin'ny 26 Jona teo ohatra dia nambarany fa vitsy ireo kaominina afaka tena nampifaly ny vahoaka vokatr'izay fahasahiranana izay. Ho azy ireo manokana ohatra dia voatery nofoanana mihitsy ny podium fanaon'ny kaominina isan-taona. Nanampy trotraka izany hoy izy ny tsy fisian'ireo mpiray Tanindrazana maro namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo. Na izany aza anefa dia nohamafisiny fa niezaka izy ireo nizara solombody akoho ho an'ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona rehetra ao anatin'ny kaominina hiadidiany. Miisa 500 teo ho eo izy ireo no nisitraka izany ho fanajana azy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery io resaka hetran-trano sy tany tsy aterin'ny vahoaka mivantana eny anivon'ny kaominina io intsony araka izany ny Ben'ny tananan'Ankadimanga Razafinanja.
Pati
Légende : Izy no Razafinanja, Ben'ny tananan'Ankadimanga eny Atsimondrano !
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap