airtel

Politique

03-oct-2025

Hetsi-bahoaka

Nahery vaika ny tany amin’ny faritra omaly

Sample post image

Raha naka bahana ny teto Antananarivo omaly,

03-oct-2025

dia nangotraka kosa ny hetsi-bahoaka tany amin’ny Renivohi-paritany hafa ho an’ny omaly ka samy nahitana tolona avokoa i Mahajanga, Antsiranana, Toliara, Toamasina,… Nilanja vatam-paty misy ny sarin’i Andry Rajoelina ny mpianatra tao Toliara sy ny tao Mahajanga nanehoana fa tsy mankasitraka intsony ny fitantanan’i Andry Rajoelina. Mampahatsiahy ny nanaovan’ny volomboasary ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 2018 ka izao ve ilay hoe : « Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina » ? Tahaka izany ihany koa ny tao Antsiranana izay tanora sy vahoaka sesehena no nidina an-dalambe, hany ka voatosika hihemotra ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana nanao sakana. Mpianatra miisa 3 no nosamborina tany Toamasina ny andron’ny omaly, saingy navotsotra ny takariva. Mihamafy ny hetsi-bahoaka mitaky ny fialan’ny Filoha ankehitriny, mitambatra ny fahadisoam-panantenana sy fahasosorana noho ny antony maro. Mahatsapa ny Malagasy fa fahapotehana sy fihemorana no mitranga fa tsy arakaraka ny fampanantenana maro an-taonany maro. Ny ao amin’ny faritra SAVA izay nahazoan’i Andry Rajoelina salan’isa ambony indrindra tamin’ny fifidianana ohatra, dia isan’ny tena mangotraka ny hetsika noho ny fahadisoam-panantenana toy ny nilazana fa hakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Tahaka izany ihany koa ny vahoaka any Analanjirofo,… Andaniny, mitazona fahefana amin’ny basy sisa Rajoelina, izay miezaka miketrika hanao sarintsarina hetsika na « contre-manifestation » ny mpomba azy entina hanehoana fa mbola manana vahoaka, saingy tsy hitovy mihitsy ny olona tena resy lahatra sy ny mety tambazana ara-bola 10 000Ar isan’olona. Efa nanao « contre-manifestation » ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa nahomby ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-août-2026

Tsy mba manohitra ny fanjakàna federaly

Card image cap
12-août-2026

Enjehina noho ny halako bika tsy tiko tarehy aho!"

Card image cap
12-août-2026

Misy tsio-drivotra politika mitranga

Card image cap
12-août-2026

no ady lehibe indrindra »

Card image cap
11-août-2026

anaty lisi-pifidianana?»

Card image cap