Miroso amin’ny fitokonana faobe na « grève générale » ny tolom-bahoaka anio 09 oktobra 2025, raha ny antso avo nataon’ny Gen Z ho an’ny vahoaka manerana ny Nosy omaly. « Satria efa sahiny ny nihantsy ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny fanendrena olona hampandry tany, dia antsoina isika vahoaka rehetra, izay mahatsapa tena fa Malagasy. Aredaredao ny afon’ny fitiavan-taninjanaka, ny fitiavana-tanindrazana. Tsy handrarak’ilo mby an-doha! », andao hidina eny an-kianja! Haneho fa antsika ny fahefana ary aty amintsika ny hery», hoy ny antso avo ofisialy. Ho an’ny eto Antananarivo, dia eny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo hatrany no fotoana, raha ny fanentanana, izay niantsoana ny herivelona rehetra, ny vahoaka tsy an-kanavaka. Mihamafy ny tolom-bahoaka ! Betsaka ireo sehatra sy fikambanana nanda sy nitsipaka ny fanasan’ ny Filoha ankehitriny nakeny Iavoloha omaly, ka nanao izany ny Fikambanan’ny mpianatra ara-dalàna maro, ny mpanao gazety sy orinasan-gazety, fikambanan’ny tanora, sehatr’asa ara-panjakana,… Ankoatra ny sehatra tsy miankina izay marary, ny tanora izay tsy manana fanantenana amin’izao fitondrana izao, ny herivelona samihafa,… dia mitombo ireo sehatra ara-panjakana miditra an-tsehatra manamafy ny fitakiana. Mijoro ny mpitsabo izay namotsipotsitra ny aretin’ny fitsaboana sy ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara. Sahy niatrika ny « forces » ny alarobia teo, mbola nitohy omaly, izay nanamafisan’izy ireo fa voan’ny SIDA (Salaire Insuffisante Depuis des Années), hoy ireo mpiasan’ny fahasalamana ahitana ireo efa vita fianarana sy efa mamarana na « médecines internes ». Mihamafy hatrany ny tolona manerana ny Nosy, ka isan’ny nafana ny tany Diego omaly.
MITOMBO IREO SENDIKA SY SEHATRA SAMIHAFA
Taorian’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Douanes na SEMPIDOU, ny eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana amin’ny alalan’ireo sendika samihafa, ny fitsaboana, ny Fiangonana toy ny Mpitandrina FJKM,… nitsangana ihany koa ny mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana na ny MEDD ahitana sendika miisa 4, izay nanambara fa manohana ny tolona ataon’ny tanora ao anatin’ny Gen Z, manameloka ny herisetra sy fandatsahan-dra, manameloka ny tsindry atao amin’ny mpiasa sy olom-pirenena mitaky ny zony, manohana ny tolona sendikaly iarahana amin’ny SSM,… Takian’izy ireo ny fanasoniavana ny didim-panjakana mahakasika ny Statut Général des Agents Publics ; ny fanonerana ireo karama tsy niakatra nandritry ny taona maro,… Miroso amin’ny fitokonana ka tsy hisy afatsy fiandrasan-draharaha na « service minimum » ny Mpiasan’ny Minisiteran’ny Jono amin’ny alalan’ny SEMPIJO (Sendika iraisan’ny Mpiasan’ny Jono) izay manameloka ny herisetra, manohana ny fitakiana iarahana amin’ny SSM, mitaky ny « primes » (sur recettes et sur amendes) izay tokony hositrahana hatrizay kanefa tapaka nanomboka ny 2015. Mijoro ny mpahay lalàna, toy ny Vondron’ny mpitsara miaro ny demokrasia na UMSD (Union des Magistrats pour la Sauvegarde de la Démocratie) izay maneho fa manohitra ny fanodinana amin'ny tsy rariny ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ho enti- manakana ny fahafahan'ny vahoaka hisitraka ny zony, ary manameloka ny fampiasana tafahoatra ny hery izay mifanohitra amin'ny fitsipiky ny Fanjakana demokratika, manohitra ny fanaovana fitaovana politika ny Mpitsara. Ny Holafitry ny mpisolovava izay nanameloka ny herisetra, mitaky ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, mivezivezy,… araka ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenena. Nanamafy ny tenin’ilay namany nanaovana herisetra fa maro ny kolikoly indrindra fa eny amin’ny Fitsarana. Mijoro ireo mpisolovava izay miaro an-tsitrapo ireo tanora samborina sy gadraina noho ny fitakiany ny zony. Ny holafitry ny farmasianina na ONPM nitondra fanampiana ara-pitsaboana ho an’ireo marary, ny mpitsabo milatsaka an-tsitrapo mitsabo ireo mpitolona, ny mpandraharaha madinika mamatsy rano sy sakafo maivana ho an’ny mpitolona,… Tahaka izany ihany koa ny eo anivon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES izay nanameloka ny fampiasan-kery, naneho fa ilaina ny fifampidinihana saingy tsy feno ny fepetra raha tsy mitsahatra ny herisetra,… Ny mpiasan'ny JIRAMA mivondrona ao amin'ny SMJ na ny Sendika ny Mpiasan'ny Jirama nanatsikafona fa tsy mifanaraka na tsy "compatible" amin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo ireo "groupe" any Toamasina ho ampiakarina eto an-drenivohitra io, ka izay no antony nampijanona azy tany,… Tahaka izany ihany koa ny sendikan’ny Kanto ahitana ireo artista maro, Vondron’ny mpanakanto miray feo, fiarahamonim-pirenena maro,…
HAFANA NY ANIO
Hafana ny tolona eto Antananarivo sy manerana ny Nosy anio raha ny zava-misy ! Tsy mijanona amin’ny renivohi-paritany ihany, fa miditra hatrany anaty distrika ny tolona, toy ny hita any Mandritsara, Mananara Avaratra,… Samy manamafy sy mitaky fiovana sy fanovana, mampibaribary fa marary ny Firenena, tsy mijanona amin’ny resaka jiro sy rano fa mipongatra ny olana isan-tsehatra, fahapotehana maro lafy, tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina izay takian’ny maro ny fanesorana azy. Mihamafy ny tolona, miray feo ny sehatra maro fa mila fanovana mahomby ny Firenena, manomboka tsy voafehy ny sehatra ara-panjakana izay mety hanafaingana ny tolona.
Toky R