teny amin'ny Lapan'Iavoloha ny delegasionina avy amin’ny SADC Communauté de développement de l'Afrique australe) omaly. Ny Pr Kula Ishmael Theletsane, filohan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra politika sy fiarovana, no mitarika ny fanadihadihana mikasika ny raharaha politika eto Madagasikara. Hifampiresaka amin'ny fitondram-panjakana sy ny ankolafy samihafa hampitoniana ny toe-draharaha sy hametrahana tontolo hahafahan'ny rehetra mifampidinika, raha ny serasera nataon’ny SADC. Anisan'ny anton-dian'ity iraka ity ihany koa ny hamantatra sy hanadihady momba ny olana fototra niandohan'ny toe-draharaha ara-politika sy ara-pilaminana misy ankehitriny. 4 andro ny fihaonana, izany hoe androany alarobia 22 oktobra hatramin’ny sabotsy 25 oktobra. 7 andro kosa ny faharetan'ny dian'ny SADC eto Madagasikara. Hanao tatitra ofisialy mikasika ny diany ny SADC, mialoha ny zoma 31 oktobra. Mialoha izay, mba hanomezana anjara fitenenana ny olom-pirenena maro araka izay azo atao, sy hampandraisana anjara azy amin'ny fifampiresahana voahevitra tsara ho famahana am- pitoniana ny olana misy, nampahafantatra ny vahoaka malagasy ny SADC fa azony atao ny mizara sy mandefa ny heviny, ny fomba fijeriny ny zava-misy ary ny ahiahiny aty amin'ny ekipan'ny SADC miandraikitra ny iraka manokana hizaha ny zava-misy momba ny toe-draharaha politika, sosialy ary ara-pilaminana misy ankehitriny eto Madagasikara, araka ny seraseram-baovao nataony omaly. Misy noho izany ny laharam-pifandraisana navoakany hahafahana manao izany dia ny WhatsApp: +267 7740 7449 ; SMS: +261 38 49 793 59. Misokatra ireo laharaham-pifandraisana ireo manomboka ny 22 Oktobra 2025 amin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 23 Oktobra 2025 misasakalina. Nomarihina fa ny laharam- pifandraisana voasoratra eto Madagasikara ihany no afaka mandefa hafatra.
Toky R
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana