airtel

Politique

25-sept-2025

JENERALY ALFRED

RAKOTOMARONIRINA "Avelao ny vahoaka haneho hevitra am-pilaminana"

Sample post image

Tsy tokony hisy olana raha hetsika am-pilaminana.

25-sept-2025

Anjaran'ny mpitandro filaminana ny mandray andraikitra amin'izay tandrify azy raha sanatria misy fihoaram-pefy. Raha hetsika am-pilaminana dia, avelao haneho ny heviny ny olom-pirenena fa aza sakanana satria izay ny demokrasia, avelao izy hiteny dia henoina tsara hoe inona no vahaolana, hoy ny Jeneraly misotro ronono Rakotomaronirina Alfred tamin'ny fahitalavitra iray. Anjaran'ny mpitandro ny filaminana ny miaro ny vahoaka sy ny fananany . Raha misy mitady hihoampefy mitady handromba na hanakorontana vao tokony handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana. Notsipihiny fa mila hajaina ihany koa ny rafitry ny fitandroana ny filaminana rehefa eny an-kianja na eo amin'ny polisim-pirenena na koa eo amin'ny zandary. Avaho tsara ny "mission" an'ny polisy, zandary, miaramila, hoy izy, izay nanipika fa ny miaramila dia tsy tokony hivoaka ao anaty kazerina, raha tsy hoe efa mirehitra ny teboka mena. Tsy asan'ny miaramila izany "maintien de l'ordre" izany, hoy hatrany izy. Mila mitandrina ny Fitondrana satria zavatra kely tsy voatandrina dia mety hiteraka zavatra ohatran'ny tamin'ny 2002, 2006, ary 2009. "Tena fa fandrika io raha vao ny fitondram-panjakana indray no manao fihetsika, toy ny voalaza fa fisiana "gros bras" nisambotra ireo mpanatitra taratasy ka tsy Fanjakana izany. Raha polisy sy zandary tokony ho am-panajana ary nentina am-pilaminana tany amin'ny birao, dia jerena hoe inona ny olana dia mitady vahaolana fa tsy tonga dia herisetra. "Tsy mety ireny, tena tsy mety, ary ireny no antsoina hoe "piège" hoy hatrany izy. Mety misy te hanararaotra hanakorontana avy any ambadika ka mila mila mitandrina satria efa mpiseho foana nanomboka 1972, 1991, 2002, 2009, hoy hatrany ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred. Nahitsy izy naneho fa tsy tokony hanao politika ny mpitandro ny filaminana satria efa olana foana izay teto amin'ny Firenena, ka nisian'ny tsirin-kevitra amin'ny"dépolitisation de l'armée" ka raha te hanao politika sy hitady toerana, dia esory ny akanjo maha miaramila, hoy ity manamboninahitra misotro ronono ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap