airtel

Politique

23-oct-2025

Jeneraly nikabary teny amin'ny 13 mey

Misy fikasana haka fahefana ara-miaramila ?

Sample post image

Nanaitra ny fahitana manamboninahitra Jeneraly

23-oct-2025

iray nanao fanamiana, nikabary teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey omaly alarobia 22 oktobra 2025. Ny jeneraly Rafidison Alain Bernardin izay kaomandin’ny SEMIPI (Sekolin’ny Miaramilam-pirenena) teo aloha, ary iray andiany amin’ny Filoham-panjakana kolonely Randrianirina Michael. Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny izy sy ireo andian'olona niara-dia taminy. Tonga teny amin'ny kianjan'ny 13 mey nanao lahateny fohy izy dia lasa. « Vonona ireo manamboninahitra jeneraly hanao ny tena fanovana, hasim-panorenana, hasim-pananganana, herim-panavotana ny firenena", hoy izy. Nambarany fa misy ny lamina napetraka sy nifandaminana teo amin'ny samy miaramila ho an'ny fanovana ny fitantanana ho fitsinjovana ny madinika , kanefa tsy voahaja izany koa dia nijoro izy raha ny filazany, satria mbola misy ny manompo sampy, sampin'ny vola sy ny sorona, araka ny nambarany. Anisan'ny fehezanteniny ny hoe :" tsara ny mivavaka, fa tsara ny fahamarinana fa tsy mamitaka vahoaka,tsy ny miakanjo fotsy sy milanja baiboly no hanamarinana fa olon' Andriamanitra". Ny Filoham-panjakana ve tiany horesahana amin'izany? Nitaky fanesorana ny Praiminisitra vaovao sy fiàlan’ingahy Ravatomanga sy ny forongony moa ny tenany. Nanaitra ihany ny fihetsiny na izany aza hoe: tsy voalamina tany an-dakazerina ve ? Hijoro sy hanohitra ny Fanjakana tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina izany ny tenany? Mandeha irery izy sa misy miaramila sy mpanao politika ao an-damosiny? Mikasa haka fahefana ara-miaramila eo anatrehan'ny toe-draharaha mbola misafotofoto? Andaniny, vao nivoaka ny resaka dia haingana be ihany koa ny arisiva toa maneho sy mahatonga ny mpanara-baovao hilaza sy hieritreritra fa olona akaiky sy mahatokin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina ity. Anisan'ireo manamboninahitra nihazakazaka be ny fahazoana galona tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina ka mahatonga somary mampametra-panontaiana ihany hoe: fifandrifiana ihany ve ny fanambarany toa mitady hisy endrika fanonganana Fanjakana? Mandeha amin'ny anaran'ny tenany izy sa misy olona na vondron'olona ara-politika sy ara-toekarena ao an-damosiny ? Stratejika sy saropady ity resaka ity ka asa izay ho fandraisan'ny Fanjakana mijoro azy. Mila miasa haingana sy mifanaraka amin'ny lalan-tsain'ny tolona ihany koa ny Fanjakana mba tsy hisian'ireo hirika samihafa mety hiteraka krizy sy olana hafa na sanatria fanakorontanana Firenena mihitsy aza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap