airtel

Politique

23-août-2023

Julia Mickaella Rasolofonoroniaina

Vehivavy fahatelo ho kandida filoha

Sample post image

Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ity anio ity no hanatontosa ny fanambarana ofisialy mikasika ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena i Julia Mickaella Rasolofonoroniaina na Mishah,

23-août-2023

mpandraharaha, mpanao haiady Kick Boxing, mpitarika fikambanana, fiarahamonim-pirenena. Toerana iray eny Ivato, raha ny fampitam-baovao voaray, no hanaovany izay fanambarana izay. Fanintelony amin’ireo vehivavy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’io 9 novambra io, araka izany, ity andriambavilanitra ity raha tanteraka soa aman-tsara ny anio. Tombanana ho manodidina ny 15 isa izany hatreto ireo kandida na mety ho kandida filoham-pirenena amin’ity taona ity saingy ho hita eo moa hoe iza no tena sahy sy hihemotra amin’ny ora farany? Tsiahivina fa manomboka anio 23 aogositra ary hifarana ny 6 septambra ny fahafaha-mandray ny antotan-taratasy rehetra ilaina miaraka amin’ilay volabe 200 tapitrisa anto-bola na “caution” ho an’ireo izay tena heverina hoe vonona ny amin’izay hazakazaka hahazo ny fanalahidin’Iavoloha izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap