airtel

Politique

05-déc-2024

KANDIDA JIMMY RANDRIANTSOA

Handrakotra jiro manontolo ny tananan’ Alasora

Sample post image

Ao anatin’ny 100 andro monja raha lany soa aman-tsara ny Kandida Jimmy Randriantsoa,

05-déc-2024

laharana fahadimy mpifaninana ao anatin’ny Kaominina Alasora dia ho rakotra jiro avokoa ireo elakelan-trano manerana ireo Fokontany 20 isa ao anatin’ity Kaominina ity. Tsy asa vao hatao izany raha ny nambarany fa hotohizana ary efa vonona avokoa ireo karazana kojakoja ilaina amin’izany. Hoataony laharam-pahamehana ihany koa ny resaka rano. Tsy ho an’ireo faritra avo ihany hoy izy fa hojerena ihany koa ireo Fokontany hafa izay mety mbola hanana olana ka mila Ben’ny tanana mahatsinjo lavitra sahady. Tsy adinony nandritra izany ny niresaka momba ny fako sy ny tatatra eny amin’ny faritra iva. Mikasika ny fandriampahalemana manokana dia fantatra fa hametrahana paositry ny polisy vaovao ao Mandikanamana ity kandida natolotry ny antoko TIM ity raha hasiana paositry ny zandarimariam-pirenena koa ao Ambohitanety. Notsiahiviny moa fa tanana mitaky Ben’ny tanana manana traikefa Alasora. Tsy mijanona ho Ben’ny tanana fotsiny ihany koa anefa fa manana tanjona hampandroso ity Kaominina ity toy ny tenany.
Pati
Legende : Vonona hampandroso an’Alasora ny Kandida Jimmy !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap