airtel

Politique

12-janv-2024

Kandida maro voizina

fa ho ao anaty governemanta

Sample post image

Tsy hitsikombakomba amin’ny famotehana Firenena…

12-janv-2024

Omaly no natolotra ny Filoham-pirenena ny anaran’ireo tolo-kevitra handravitra ny governemanta, raha ny tetiandro nambaran’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Fiadidian’ny Repoblika. Rahampitso kosa no voalaza fa ho fantatra ireo minisitra handrafitra ny governemanta hotantanan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nandeha ny karazana fangaronan-dela samihafa na koa fivoizana na mety pimaso politika momba ireo kandida sasany tao anatin’ny Collectif des candidats, ka nilazana fa nanatitra dosie na CV mba hotendrena ho minisitra.
TSY SEZA SY OLONA NO OLANA, MILA FARITANA TSARA ILAY HOE : « FANDROSOANA »
Nandiso ireo resaka niely na ninian’ny sasany naparitaka tamin’ny tambazotra sosialy Facebook i Tahina Razafinjoelina, kandida filoham-pirenena sady mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny Kandida fa hoe : nametraka CV hiditra anaty governemanta Ntsay Christian. «Tsy nametraka CV ny tenako ary mahitsy aho miteny an’izay satria izay no marina. Ny antsika tsy seza, tsy ny olona no olana fa ny fampandrosoana ny firenena. Mangataka mihitsy izahay andao aloha ampitoviana ny fomba fijery an’ilay antsoina hoe : fampandrosoana, andao aloha ny zavatra mitondra fampandrosoana no jerentsika ahafahan’ny Malagasy mamokatra, ahafahan’ny Malagasy mampihena an’ity fanafarana lava ity, fa io anie no mahafaty antsika Malagasy e ! Andao aloha izany no adihevitra dia rehefa vita izay dia mandeha ho azy daholo angamba ny zavatra rehetra fa tsy seza … », hoy i Tahina Razafinjoelina. Efa nanao fandisoana ihany koa moa i Hajo Andrianainarivelo izay nampahatsiahy fa veloha tsy misy mandra-pihaona ny fisarahany tamin’ny fitondrana volomboasary.

TSY MAHAVAHA NY OLAN’NY
Nilaza ihany koa i Roland Ratsiraka fa diso ny filazana fa nanatitra CV ny tenany. Ity farany izay nanamafy teo anatrehan’ny fanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa ny mitohy ny tsikombakomba amin’ny zavatra rehetra, tsy sahy milaza ny marina na manohitra ny gaboraraka izy ka tsara hoan’ny fitondrana, hitohy ny olana rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena satria tsy afaka antenaina mihitsy izy fa mandray baiko fotsiny,… ka tsy izy mihitsy hanitsy ny fitondrana amin’ny halabato sy ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana, praiminisitra efa nanaovana « motion de censure » dia mbola averina eo ihany,… Ity farany izay anio no hanao fidirana politika, ka hanao fanambarana amin’ny mpanao gazety sy hanao fandaharana manokana amin’ny fahitalavitra raha ny serasera ataony. Nilaza ihany koa ny Pro-Siteny fa tsy hiditra anaty governemanta satria governemanta tsy mahavaha ny olan’ny firenena toy ny fahasalamana, fanabeazana, vidim-piainana, rano,… ka firaisana tsikombakomba sy fambotriana firenena ny fidirana ao. Tsy nisy rahateo ny fiantsoana azy ireo, ary na nantsoina aza dia hiditra, hoy Atoa Jean Jacques Raberinirina tamin’ny fahitalavitra iray. Ireo filoha teo aloha sy ny antokon’izy ihany koa moa efa nilaza fa tsy hiditra amin’io. Na izany aza, misy ireo kandida mety ho tazana ao anaty governemanta, ka manodidina ny roa na telo ireo, raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao sasany. Samy miandry izay ho fisehon’ny sary politika ato ho ato izany ny rehetra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap