ny karama sy tambin-karaman’ireo mpikamban’ny governemanta. Niditra an-tsehatra hatramin’ny Fanjakana nitondra fandisoana, fa tsy nisy resaka fampiakarana tambon-karama hatramin’ny taona 2018, ary nilazana fa mampihatra ny politikan’ny fitsitsiana miaraka amin’ny vahoaka ny governemanta, ka nofoanana ny tambin-karama raisina rehefa mivoaka any ivelany. Mianto-tena ve izany ireo Minisitra rehefa mandeha ary tsy misy vola raisina ny iraka any ivelany ? Kihonohono sy kitombatombana no betsaka rehefa tsy ampahafantarina mangarahara ny vahoaka izay manarama ny mpitondra amin’ny alalan’ny hetra isan-tsokajiny. Betsaka anefa ny endrika maneho ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana, igalabonana sy hiliban’ny mpitondra amin’ny alalan’ireo tombotsoa mihoampampana. Iny nivoaka iny izao ny hoe : mikarama 9 000 000ar isam-bolana ireo minisitra ! Ankoatran'ny tambi-karama samihafa (Indemnité forfaitaire de fonction; Indemnité de représentation ; Indemnité de risque et sujétion) mitentina manodidina 10 000 000ar isam-bolana ho an'ny praiminisitra, 8 000 000ar ho an'ny minisitra, afa-ketra, dia mandray karama, manodidina ny 9 000 000ar isam-bolana ny minisitra iray. Ny solika sy fiara, finday, fahana, mpamily, mpiambina,… Raha diso ireny, tokony havoakan’ny Fanjakana mazava hoe : inona ary no marina ? Ohatrinona no tena izy ? Nivoaka tao amin'ny tranokalan'ny fanjakana, (site de législation, version numérique) an’ny gazetim-panjakana na journal officiel dia notsoahiana tampoka, raha ny fanamarihana. Inona no antony ? Novoizina sy nanaovana propagandy tany amin’ny taona 2018 ohatra ny hoe : hofoanana ny antenimierandoholona fa mandany vola ? Nandeha ny hazavana sa sénat » ? Nahena ho 18 raha 63 teo aloha fa moa tena nihena ve ny tetibola ? Inona no vokatra nentin’izay fanapapahana izahay ? Moa tsy ny loholona indray no nitaky vola hotantanina toy ny CIAD an’ny depiote ? Moa tsy zon’ny vahoaka ve no mahalala hoe : mikarama ohatrinona sy inona avy ireo tombotsoan’ny Minisitra, depiote, loholona sy ny maro hafa ? Ny fivoahana any ivelany mateti-piavy dia mampametra-panontaniana matetika indraindray ny fangaraharan’ny fandaniana ataon’ny Fanjakana. Fahita ohatra indraindray ny hoe : miara-dia amin’ny Filoham-pirenena amina fitsidihana na fihaonana iraisam-pirenena ofisialy ny zanany ka volam-bahoaka sa volany manokana no iantohana an’ireny ? Tsy resaka fitsikerana be fahatany fa any ivelany 4euros tsy ampy rehefa niantsena teny amin’ny « Grande surface » ka nalaina tamin’ny volam-panjakana ary avy naverina aza mampiongana minisitra. Avy any ambony ny ohatra amin’ny mangarahara sy fahaiza-mitantana, fa rehefa ny any no mivaralila dia mivaralila hatrany ambany. Dia atao mahagaga ve raha manjaka ny kolikoly sy kiantranoantrano ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,