airtel

Politique

09-févr-2026

Kolonely Patrick Rakotomamonjy

« Nitsoaka sy miafina aho,

Sample post image

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

09-févr-2026

Nipoitra tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy omaly, taorian’ny fanesorana azy tsy ho Talen’ny « Bureau des Doléances de la Présidence de la Refondation de la République » ny 20 janoary 2026 lasa teo, roa volana latsaka taorian’ny fanendrena azy. Samy nametra-panontaniana ny antony ny mpanara-baovao, saingy tsy tena nisy valiny mazava, ka asa na mahavaly azy ny vidéo nitantarany ny ambarany fa zavatra natao azy. Nilaza ho nandositra sy miafina indray efa efa telo andro lasa izy noho ny fiarovany ny ainy, raha ny filazany ao anaty horonantsary. Nitodika tamin’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, ka nilaza fa efa « harcèlement » no ataonareo ahy, ary efa faninefany izao, hoy izy. Nambarany tao anatin’io horonan-tsary io fa tamin’ny krismasy dia natao fanadihadiana izy rehefa nolazaina fa nanongam-panakana. Roa herinandro taoriana, nolazaina fa niresaka tamin’ny mpanao politika ; roa herinandro taoriana tebahana fa nolazaina nampiantso orinasa lehibe tao amin’ny « doléance », izao indray manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimaria no miteny amiko hoe antsoy i PRRM fa hosamborina ialahy fa manongam-panjakana,… Nandao ny fianankaviany indray raha ny filazany, ary nanambara fa tsy hanaiky na oviana na oviana ny kolikoly, tsy hanaiky hiara-hiasa amin’ny Mafia. « Tiako ny vadiko, arovako ny tanindrazana. », hoy izy. Niantefa manokana tamin’ny Filoham-panjakana. « Manamboninahitra isika sy ianao mon colonel, betsaka ny miteny amiko, tsy Michael io fa ny olona manodidina azy, saingy filoha ianao. Efa imbetsaka aho no niteny fa te ho eo akaikinao hiara-hiasa aminao satria isika sy ianao no tadiavin’ny vahoaka. », hoy i Colonel Rakotomamonjy Patrick. Nilaza tsy te hiteny betsaka sy tsy te hamoaka anaran’olona sy dosie. Nanamafy tamin’ny Filoham-panjakana hoe : « Miangavy anao aho mon colonel raiso ny andraikitrao, samy nianatra isika sy ianao ! Jereo ihany ilay izy, samy colonel isika, samy nianatra,… Mifankahazo am-po isika sy ianao ary mpivavaka no ahafantarako anao ». Asa hanao ahoana ny tohiny sy ny mety ho setriny avy amin’ny Fitondram-panjakana mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana? Inona no mitranga ? Misy ambana amin’ny fitondram-panjakana ve ? Inona ny fepetra miramila na politika mety horaisina ? Inona mila alamina sy mila sorohana na ahitsy ? Somary saropady sy misy resaka ara-miaramila mifamatotra amin'ny politika izy ity ka ny ampitso no mety hanazava azy…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap