airtel

Politique

30-mars-2026

Kolonely Randrianirina Michael

«Andao hatambatra ny hery

Sample post image

hanavotana ny Firenena ! »

30-mars-2026

Fametrahana horonam-bonikazo, fandrehetra ny afo tsy maty, sora-dihy, fanolorana solom-bodiakoho ho an’ireo bekotro maro holatra, no nanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947 teny amin’ny fasan’ny mahery fo, Avaratr’Ambohitsaina omaly ho an’ny Fanjakana foibe. "Tolom-panafahana : fanavaozana ny Fitiavan-tanindrazana" moa no lohahevitra tamin’ity taona ity. Nitarika izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël notronin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly Bama Marima. Nanome voninahitra ny lanonana ihany koa ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Mamitiana Rajaonarison sy ireo Lehiben'ny Andrimpanjakana, ireo Mpikambana eo anivon'ny Governemanta, ireo Olom-boatendry sy Olom-boafidy ary ireo Tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila. Nandritra ny lanonana dia nisy ny famakiana tonokalo sy ny fampisehoana soradihy notontosain'ireo mpianatra avy ao amin'ny "Lycée Moderne Ampefiloha" ho fampahafantarana ny tantara. Nisy ihany koa ny fanolorana ny solombodiakoho ho an'ireo akanga sisa nanamborana ho fankasitrahana azy ireo noho ny heri-po sy fahasahiana nasehon'izy ireo mba hanafahana an'i Madagasikara teo ambany vahoan'ny mpanjanaka. "Mijoroa ho an’ny tanindrazana ianareo tanora », hoy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael tany Moramanga. Nambarany fa manana fahavalo iraisana isika, dia ny fahantrana ka andao, hoy izy, fohazina ny tolona ho an’ny fanarenana sy fanavontana an’i Madagasikara. Ho an’ny teny amin'ny Tsangambaton'ny mahery fo Ambohijatovo, nisy ihany koa ny fametrahana fehezam-boninkazo notarihin'ny Praiministra anjara. Nanamarika ny lanonana teny an-toerana ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo Ray aman-dreny mpahay tantara,... Ny avy amin’ny Fanjakana foibe izay, fa saika nahitana lanonam-pahatsiarovana avokoa nanerana ny Nosy. Mifandraika amin’izay, hisy atsy ho atsy ny fanambarana hatao, fa ireo miaramila ihany manomboka izao no manao "Jeriatrika" rehefa mandeha ny hiram-pirenena fa ny olona mametraka tanana havanana tandrify ny fo homariky ny fitiavan-tanindrazana. « Hahita an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ho afa-patorana no nijoroan’ireo Ray aman-dReny mahery fo tamin’ny taona 1947 ka andao hatambatra ny hery ho an’ny fanavotana ny firenena », hoy hatrany i kolonely Michael Randrianirina. Ankoatra izay, nambara fa hampiakarina 50% ny fisotroan-dronono raisin'ireo mpiady tia tanindrazana tamin’ny 1947 mbola velon’aina, mba ho fitsinjovana sy fikarakarana azy ireo. Nankahery ireo mpitandro ny filaminana amin’ny asa fampandriana fahalemana ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana. Miandrandra vokatra tsaratsara kokoa ny vahoaka, hoy izy, Nambarany fa eo foana ny Fitondram-panjakana fa tsy miasa irery ireo hery fiarovana sy filaminana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap