airtel

Politique

26-févr-2026

Kolonely Randrianirina

Tsy afa-miatrika ny fikaonandoham-pirenena Rajoelina !

Sample post image

Nandritra ny fihaonany tamin’ny Malagasy

26-févr-2026

monina any Frantsa sy Eoropa, nanamafy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael ankehitriny fa tsy hisy fanilikilihana amin’ny fifampidinihana nasionaly. Ity dingana ity, hoy izy, no heverin’ny fitondrana ho fototra hanakanana ny fiverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara. Momba ny fangatahan’ny Vondrona Afrikanina izay manasongadina ny “inclusivité” na ny fandraisan'ny rehetra anjara sy ny mety hiverenan’i Andry Rajoelina eo amin’ny sehatra politika, dia nilaza mazava sy mahitsy ny Filoha fa tsy izany no tanjon’ny fitondrana. Araka ny fanazavany, ny “inclusivité” dia midika fandraisana anjara malalaka ho an’ny olom-pirenena rehetra, fa tsy fanomezana fahefana ho an’ireo izay efa tsy manana zom-pirenena Malagasy intsony, handray fanapahan-kevitra momba ny fitondrana ny firenena. Ity fomba fijery ity dia ho tafiditra ao anatin’ny “feuille de route” izay hamaritra ny dingana rehetra amin’ny fanarenana ny firenena, tsy hiverenan'ny krizy intsony. Ny fifampidinihana nasionaly dia hivelatra mandritra ny 12 volana, ka hisokatra amin’ny sokajin’olona rehetra. Ny tanjona lehibe dia ny hahazoana fanapahan-kevitra maharitra sy ny hanamafisana ny firaisankina nasionaly. Nampanantena ihany koa ny Filoha fa tsy hisy fanapahan-kevitra voaomana mialoha, fa izay hifanarahan’ny rehetra mandritra ny fifampidinihana ihany no ho tanterahina. Tsara ny mampahatsiahy fa tafiditra tao anatin'ny fehin-kevitra nataon'ny SADC ny 17 desambra 2025 ny tokony hahafahan'ireo sesin-tany politika mody sy mandray anjara. Endrika heverina fa mifanohitra amin'ny tolom-bahoaka izay nisiana faty olona maro, faharatrana,... vokatry famoretana vahoaka nataon'ny Fitondrana jadona, saingy ninian'ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC tsy hita.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap