airtel

Politique

24-déc-2024

Korontana noho ny tsy

fahatomombanan’ny fifidianana

Sample post image

«Vao mainka ho mafimafy ny hitranga raha izao no mitohy»

24-déc-2024

Tokony ho kihon-dalana teo amin’ny fiainan’ny firenena malagasy ny taona 2024, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony, Tsivery Harisoa Mao Tse-Toung, satria namaraparana ny taona 2023 ny fidiran’ny fifidianana filoham-pirenena no nodimbiasan’ny fifidianana solombavambahoaka ary niafara tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Somary nafampana izany ny tontolo politika, izay nifandray amin’ny tontolom-pifidianana, hoy izy. Mbola tsy tomombana ary mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny resaka fifidianana eto Madagasikara no resahina ho an’ny antoko FIVOI manokana. Izany no tokony ho fakafakaina hoe ho entina aiza izany ity firenena ity raha ny fomba fandaminana sy fikarakarana fifidianana no asian-teny. Raha heverina hoe napetraka ireny rafitra ireny, toy ny CENI, dia niandry isika ny amin’ny hoe madio sy mangarahara ny raharaha. Taratra nefa izao fa vao mainka mihoatra lavitra noho ny zava-misy taloha no miseho ankehitriny mikasika izany tsy fahatomombanan’ny fikarakaràna fifidianana izany. Izahay dia tena miahiahy hoe loharanona korontana ny fifidianana hatramin’izay saingy vao mainka ho mafimafy ny hitranga raha izao no mitohy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap