airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Krizy sy fahantrana Tsy miaina fa miezaka ny tsy ho faty ny Gasy

Sample post image

Tena ahariharin’ny zava-misy ny maha firenena faha-5 mahantra indrindra eran-tany an’i Madagasikara satria faha-183 amin’ny 188, raha toa ka faha-123 tany amin’ny taona 2008.

12-juin-2023

Efa hananika ny 90% ny tahan’ny mahantra fadiranovana, raha manodidina ny 74% tany amin’ny 15 taona lasa. Tsy mila porofoina fa efa iainana ny fahantrana mandifotr’olona ! Ny vidim-piainana misondrotra andro aman’alina fa ny vola miditra isan-tokantrano tsy miova na mihena mihitsy aza noho ny krizy, ny sandam-bola mitotongana satria raha manodidina 4700Ar ny 1Euro amin’izao, raha 3500Ar ny 2018, ary 1284Ar ny 2008. Ny fihariana miha mitotongana, ny famoronan’asa tsy tena misy politika mazava, ny tontolo ara-tsosialy mikoroso fahafana noho ny tsy fisiana paikady mazava fa tezaina amin’ny kitolotolotra ny olona ka lasa malain-kisahirana, hita taratra io rehefa akaiky na mandritra ny propagandy.
FITAZONAN’AINA SISA
Tsy miaina intsony amin’ny fandaniana ao an-tokantrano, ny hoanina androany tadiavina androany na rahampitso, betsaka no midi-trosa, misakafo tsy mahafeno kibo, tsy misy fijerena intsony hoe: ara-pahasalamana sa tsia, tsy misy fijerena kalitao, fa ny zava-dehibe dia mihinana raha mbola misy azo harapaka. Ohatra akaiky kely, manodidina ny 2000Ar/kg dimy taona lasa, saingy tafakatra 4000Ar taty amin’ny faramparan’ny taona 2022 sy fiandohan’ny 2023, amin’izao miaka-bokatra izao fa somary nisy fidinany kely. Vitsy no mbola mahavita manjifa voankazo izany satria raha ny akondro, ohatra, nojifaina 1000Ar/kg efa 3000Ar ankehitriny,… Ny fahafa-mampiana-janaka mihena, misy Ray aman-dreny maro anaka tsy maintsy misafidy hoe ny zaza 2 ihany no alefa an-tsekoly, ny 2 mijanona ao ant-rano, ao no alefa hanao mpiasan’olona,… Mirongatra ny fampanambadiana ankizy tsy ampy taona, ny fanolanana zaza izay toa alamindamina amin’ny fombafomba toy ny famonoana omby satria tsy te hanasaro-javatra,... Tsy te hisahirana, tsy tena manam-piniavana amina tanjona lavitr’ezaka intsony, fa tena zara aza mahita izay harapaka. Ireny no isan’ny mitarika zavatra hafahafa sy ratsy, halatra, tsy fandriam-pahalemana, fitiavan-tena diso tafahoatra, koliloly ho an’izay mba manana hirika kely, tsy fanajàna lalàna,… dia lasa mikorontana ny fiarahamonina.

TOFOKA NY MALAGASY FA MBOLA MILEFITRA
Ny asa fihariana zara raha 10% mahery kely no ao anatin’ny sehatra ara-dalàna, hany ka tsy marin-toerana ny ankamaroany fa arakaraka izay azo anio no hihinana na tsia. 70% amin’ny Malagasy no naneho fa mizotra makany amin’ny ratsy kokoa ny toekarem-pirenena raha ny tao anatin’ny 12 volana no jerena, hoy ny tatitry Afrobaromètre ny faramparan’ny novambra 2022. Mahatratra 94% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny krizy sy ny fifehezana ny vidin-javatra; 70% tsy afa-po amin’ny fitantanana ny toekarena; 76% tsy afa-po amin’ny famoronana asa,… Tsy nihatsara anefa izany fa niharatsy tao anatin’ny 6 volana voalohan’ny 2023. Ny asa fihariana betsaka no potika sy mikorosy fahana vokatry ny delestazy, ny làlam-pirenena tapitra potika noho ny tsy fahaiza-mitantana, ny mpampiasa vola kivy no ny olana ara-angovo sy ny tsy fisiana fitoniana,... Mbola betsaka aza ny ambana, raha tsy hilaza afatsy ny hoe: hiakatra ny vidin-tsolika iraisam-pirenena taorian’ny fiakarana 46% ny jolay 2023. Tsy misy sori-dàlana mazava hiatrehana sy hivoahana anaty krizy, fa politikan’ny kisehoseho no betsaka. Tsy misy olana tsy azo vahana anefa, fa ny finiavana politika no tsy ampy ary misy aza no mety faly amin’ny fahorian’ny Malagasy mba ho azony ambakaina lava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap