airtel

Politique

02-févr-2026

Laza Razafiarison

Bado daholo ve izany ny mpahay lalàna gasy?

Sample post image

Angaha moa rehefa miteny ny SADC

02-févr-2026

hoe ara-dalàna io fitondrana io dia izay no marina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison? Isika gasy izany tsy mahay na inona na inona fa zareo ihany no mahay, hoy ny fanontaniany? Izay izany ve no ilàna ireny sampan-draharaha iraisampirenena ireny? Bado daholo ve izany ny mpahay lalàna gasy? Ny olona tokony hanao «arbitre» na mpitsara ve izany no hilatsaka? Ny sata afrikanina momba ny demokrasia, fifidianana, fitantanana dia milaza fa fanovàna tsy ara-dalàna ny fakàna fahefàna tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fifikirana amin’izany fahefàna izany. Tafiditra anatin’izay ny fanonganam-panjakàna ara-miaramila. Izay rehetra nandray anjara tamin’izany dia tsy tokony handray anjara amin’ny fifidianana aorian’ny tetezamita. Mety hisy ny sazy mifandraika amin’ny fandikàna izany avy amin’ny Vondrona afrikanina ho an’izay firenena mandika io sata io. Ohatra vao haingana ny tao Mali ny taona 2020-2021, ny tao Guinée ny 2021, Burkina Faso ny 2022. Natao ho balizy hitandroana ny fampanjakàna ny demokrasia sy tany tan-dalàna ny sata afrikanina, hoy hatrany ny voasoratra ao. Lazao fa tsy nisy basy nipoaka teto! Raha tena olona madio saina ny mpitondra dia mipetraka ho mpandamina fa tsy izy nantenaina indray no … Ny ankoatran'izay famadihan-tanindrazana, hoy hatrany i Laza Razafiarison.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap