villa» na fonenana soa ho an’ireo mpilalaon’ny Barea ve, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison? Izany hoe lasa faritra fahafiry izany eo amin'ilay «Autoroute» na lalambe, hoy izy? Mikarama ohatrinona loatra ary izy mivady fa raha izahay mivady tsy hanome «villa» miisa 29 izany na ho filoha mandra-maty aza satria dia tsy mahay mitady vola ankoatry ny karama. Mbola mino izany ny malagasy raha mahazo 1% amin'ny Base Toliara tokoa fa mety mahavidy «villa» firy azafady? Mahavaky fo ilay vokany eo amin'ny fiarahamonina. Potika i Madagasikara. Lalam-pirenena na RN faha 2, 3, 4, 5, 6, 7, potika daholo izay nandalovako. «Tuerie à Grande Vitesse» na hoe famonoana haingam-pandeha, hoy hatrany izy.
Nangonin’i J. Mirija