airtel

Politique

17-déc-2024

Laza Razafiarison

« Tsy azo ekena ny fandanindaniam-poana ataon’ny mpitondra »

Sample post image

Feno hipoka ny hotely ao Andasibe, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

17-déc-2024

Tonga hamboly hazo, hono, ny mpitondra fanjakana, hoy izy. 900.000 Ariary ny ofan'ny efitrano iray nefa feno avokoa ny efitra miisa 10 ao amin'ny toerana iray, 300.000 Ariary kosa miisa 29 nefa feno avokoa. Mbola hotely iray no resaka eto fa marobe izy ao no feno. Ankoatr'ireo ny sakafo. Tsy resahina eto ny «carburant» na solik'ireo V8 tonga any an-toerana. Miliara maro no lany fa hoe hamboly hazo. Ilay nambolena teny Imerintsiatosika tamin'ny taona lasa ve nisy naniry? Nandaniana miliara koa io. Raha mijery ny «site de reboisement» toeram-pambolen-kazon’ny antenimierandoholona ianao amin'iny lalam-pirenena faha 4 iny dia tsy mahita hazo maniry ao nefa efa ho «demi-siècle», izany hoe efa ho 50 taona, namboly tao foana ary miliara isan-taona. Tena mieritreritra hamboly hazo ve ny mpitondra malagasy? Raha io vola lany io no nomena ny gasy ka tena nambolena hazo efa ela no rakotra ala i Madagasikara. Zanakazo miisa 1000, raha be indrindra, no ho voavoly ao Andekaleka nefa miliara no lany. Raha mitantara izany eto dia lazain'ny gasy fa mialona izay mba azon'ny olona, hono, izahay fa izay «avantage» na tombony kely io ve dia maninona? Mikarama 100 volana eo ny mpampianatra FRAM aty aminay vao mahavita manofa efitrano in-dray alina ao Andasibe, hoy hatrany ny tenany nanakiana mafy ny fandanindaniam-poanan’ny fitondrana ankehitriny.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap