airtel

Politique

27-mai-2024

Mamay ny raharaha

Niaro tena any amin'ny CENI ny fitondrana

Sample post image

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana

27-mai-2024

na ny CENI ny Fiadidian’ny Repoblika ho fiarovan-tena eo anatrehan’ny fitorohana sy fitarainana mikasika ny endrika fanitsakitsahan-dalàna toy ny fitokanan-javatra ankolaka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana, izay voararan’ny andininy faha-61 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 momba ny fifidianana. Nambara fa nandritra ireo fidinana ifotony nataon’ny Filoham-pirenena dia tsy nisy mihitsy ny fandraisany anjara tamin’ny fampielezan-kevitra nataona kandida. Tokony havahana tsara ny hoe : fitetezam-paritra ataon’ny Filoham-pirenena sy ny atao hoe : fampielezan-kevitra, hoy ny Fiadidian’ny Repoblika. Nambara fa ny dian’ny filoham-pirenena dia karakaraina ao anatin’ny fijerena mivantana ny olana eny ifotony izay mahakasika ny vahoaka. Natao hifampizarana ireo laharam-pahamehana mifandraika amin’ny politika ankampoben’ny Fanjakana izay iantsorohan’ny mpanatanteraka. Nambara fa tsy nisy kandida nahazo niakatra ny lapihazo ofisialy izay nanaovan’ny Filoham-pirenena kabary. Nambara fa amin’ny maha olom-pirenena tahaka ny rehetra ny fahitana kandida mety nanotrona. Nolazaina fa tsy nisy fitokanana nampiasana harifenitra sy fanapahana « ruban» na « stèle » na fizarana fanasana ofisialy. Nambara fa mitohy ny raharaham-panjakana ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana, ary manana didy hiantoka ny fampandehanana ny raharaham-bahoaka ny filoham-pirenena. Dia tena hoe fifandrifian-javatra ve ny fampifanarahana ny programan-dRajoelina amin’ny vanim-potoanan’ny propagandy sa dia tena mihevitra ny rehetra ho bado ? Ny andininy andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana milaza fa tsy tokony hiandany amin’ny politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny andininy faha-49 amin’ny lalampanorenana milaza fa ny andraikitry ny Filoham-pirenena dia tsy azo ampiarahina amin’ny asan’ny vondron’antoko politika, na antoko, kanefa ny sariny aza no lalaovina amin’ny propagandy,… Dia inona izany no azo hilazana ny tenin’i Andry Rajoelina tany Ikongo hoe : « Mila fampandrosoana isika !Amboarintsika ny làlana, hiaraka handrososo isika ! Izao ary no teneniko anareo 29 mey ilay fifidianana ary 30 mey ny tsingerin-taona naharerahako. Noho izany dia izao, rehefa any Antananarivo aho te haheno vaovao mahafinaritra be hoe : efa mamaly fitia ny vahoakan’Ikongo, te handroso ny vahoakan’Ikongo, ity ny « Cadeau d’Anniversaire-nao » Mr le Président ! ». Tahaka izany ihany koa ny tany Andranofeno Sud hoe : « ilay olona mahay miara miasa amiko hitondra ny tenininareo vahoaka, hiresaka amiko hoe : Mr Le président ilay làlana amboaro, ilay bloc opératoire, mbola tianareo hiverina aty aho sa tsia ? ». Mitombina hatrany ilay fanehoan-kevitry ny olom-pirenena hoe : ireo na efa tratranao mitaingim-pasana aza lazainy fa mitady « réseau » !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap