airtel

Politique

17-juin-2025

Mamikitra seza anaty firenena faran’ny mahantra

Nananatra ny mpanao politika eto Madagasikara ny PM

Sample post image

Vao manomboka ianao dia efa fantatray, vao mandray fitenenana ianao

17-juin-2025

dia efa fantatray, ajanony ny fanakorontanana politika!», hoy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta malagasy, Ntsay Christian, omaly tetsy amin’ny lapa maitso na ny antenimierandoholona. Tsy ilaina intsony, hoy izy, ny krizy politika eto amin’ny firenena fa ny fiverimberenan’izany no mahatonga an’i Madagasikara ho mbola toy izao. Ny fampandrosoana no imasoan’ny fitondram-panjakàna ankehitriny. Izay haitarika na «leadership» izay, hoy hatrany ny nambarany, no tsy zakan’ny mpanao politika sasany. Isan’ny nanitikitika ny mpanara-baovao maro, tetsy ankilan’izay, ny hoe aiza ho aiza amin’izao zava-misy iainan’ny firenena sy ampiainana azy ankehitriny izao izany no antsoina hoe fampandrosoana na fandrosoana, raha toa ka 8 taona mahery izay no efa naha praiminisitra ity praiminisitra, izay mahagaga ny maro ny antony tsy hahasahian’ny filoham-pirenena manala azy amin’ny toerany, ity? Izao ve no antsoina hoe fomba fanaovana politika maodely sy filamatra? Tsy maintsy raisina ho fanakorontanana avokoa ve ny fanehoan-kevitry ny fijery politika hafa ankoatran’ny an’ny praiminisitra na ny mpitondra ankehitriny? Tsy manana fahafahana mihaino na «capacité d’écoute» amina hevitra hafa ivelan’ny fitondràna ve izany ny fitondrana ankehitriny na ny praiminisitra? Nananatra ny mpanao politika eto Madagasikara aloha izany iny ny praiminisitra mamikitra seza anaty firenena faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany, araka ny famaritan’ireo sehatra iraisampirenena toy ny tahirim-bola iraisampirenena sy ny banky iraisampirenena. Fanontaniana mipetraka ny hoe tsara toerana amin’izany fananarana izany ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap