airtel

Politique

27-oct-2025

Manao tohivakana ny ampamoaka

Nitantana ny momba an'i Lanto

Sample post image

Rakotomanga i Be-Rija

27-oct-2025

Manao tohivakana ny ampamoaka mikasika ireo olon'ny fitondrana teo aloha. Nanao ampamoaka momba ny horonampeo mifandraika amin'ny depiote ao amin'ny boriboritany faharoa eto Antananarivo renivohitra, Lanto Rakotomanga, indray ny sabotsy teo ny Dr Be-Rija Ravelomanantsoa. Tena ratsy iny ramatoa iny, hoy izy. Ny 16 jolay 2020 no nitaky ny fivoahako tany am-ponja ireo mpianatra sy olon-tsotra mpiaradia tamiko. Miisa 4 no voasambotra ka mpianatra ny 2. Olon-tsotra ny 2 hafa. Hariva ihany dia vita ny "enquête" na fanadihadiana. Tsy nisy resaka Rolly Mercia sy anabaviko mpiray tampoho amiko.Tokony ny ampitson'iny dia natao "différemment" na famindrana fa tsy natao satria niantso tany ny depiote Lanto Rakotomanga fa baiko hoe. Tonga any izy dia niresaka tamin'i Félicien hoe averina ny PV na fakana am-bavany fa omena vola 500.000 Ariary ianao. Mbola ampiana io vola io ary avoaka ianao fa tsy maintsy mampiditra an'i Rolly Mercia anatin'ity afera ity ary lazainao fa anabavin'i Be-Rija no nandray ny fivorianareo fa gadraina koa izy roa ireo. Nanaiky i Félicien ka raikitra ny "perquisition" na fisavana teny amin'ny tranon'i Rolly Mercia sy anabaviko io ka voasambotra i Rolly Mercia dia nalefa amponja izy 5. Tonga tao am-ponja dia misy "visite" na fahafaha-mitsidikamoa ao dia tafihaona tao izaho sy Rolly Mercia ka nilaza izy fa tsy misy idirako iny Be-Rija fa Lanto Rakotomanga manao "mission" na irak'i Mamy Ravatomanga handetehana antsika dia mba miresaha ianao amin'i Félicien fa mandainga izy. "Ok", hoy aho. Nanatona an'i Félicien aho tao am-ponja fa vao nahita ahy i Félicien dia nandohalika niaraka tamin'ny baiboly nifona hoe "Be-Rija! Be-Rija! Mifona aho eto hanatrehan'ity baiboly ity fa namotika iny olobe sy anabavinao iny ka mamela ahy ianao fa Lanto Rakotomanga no naniraka ahy. Gina tanteraka tsy nahateny aho sady niteny hoe "Mbola iny vehivavy iny ihany ve?" Iny koa anie hoy aho tao anatiny nampigadra ahy aty io e! Nasaiko nitsangana i Félicien dia nanontaniako hoe "Inona no tokony ataonao izany Félicien?" Namaly izy hoe hilaza ny marina aho Be-Rija fa tsy milamina ny saiko. "Ok" hoy aho. "Na ilay vola 500.000 Ariary aza anie tsy azoko izao e! Na sakafo aho tsy manana izao." hoy i Félicien. Vonona ary ve ianao hilaza ny marina hoy aho? Eny hoy i Félicien ary vonona hanao taratasy aho Be-Rija, raha izay no hanafaka azy. Dia nifanao "visite" aho, Félicien ary Rolly Mercia. Vao nahita an'i Rolly Mercia izy dia nitomany nandohalika nifona fa Rolly Mercia tonga dia namela ny helony niteny hoe "Zandry, raha nanome vola anareo aho dia tazomy hatramin'ny farany fa raha tsy misy idirako dia lazao ny marina! Tsy haninona anao aho." Vao mainka nigogogogo tao Félicien nifona sady nanolotra ilay taratasy hoe tsy misy idiran'i Rolly Mercia ny hetsika teo Ambohipo fa nokaramaina aho. Nandeha ny fitsarana ary nijoro i Félicien teny amin'ny fitsarana fa madio ary omeo ahy ny sazy tamin'ny lainga nataoko ny Raiamandreny io fa akory atao fa nogadraina 44 volana ihany i Rolly Mercia sy ilay anabaviko iray tampoho amiko izay nisitrika nandritry ny 44 volana ka nahatonga ny zanany 2 vavy kely farany nahato tamin'ny fianarany satria tsy araky ny dadany. Tena tsy manana indrafo raha i Lanto Rakotomanga fa mba fanontaniako anareo mpitsara rehetra eto Madagasikara hoe "Aiza ho aiza tompoko ny resaka voamboana na "palissandre" ireny?", hoy hatrany i Be-Rija Ravelomanantsoa.
Nangonin'i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap