Vondrona Parlemantera IRMAR sy ny Antoko TGV tao anatin'ny fanazavana manokana mikasika ny toerana sy ny hevitr’izy ireo manoloana ny vokatry ny Fikaonandoha politika na "Assises Politiques" izay natao tao amin’ny Gymnase Ankorondrano ny 12, 13 ary 15 Desambra 2025 teo. Araka ny fanambarana, nandray anjara tamin’ireo fifanakalozan-kevitra sy adihevitra izy ireo, ary nanamafy fa amin’ny maha Vondrona Parlemantera sy antoko politika azy izay milaza fa sarotiny amin'ny Fanjakana tan-dalàna, dia manaja ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), izay manamarika ny dingana ara-panjakana nitsangan'ny tetezamita ara-dalàna na "transition constitutionnelle" ambany fitarihan’ny Kolonely Michaël Randrianirina. Notsindriana fa i Madagasikara dia miaina vanim-potoana marefo, ka ny fanajana ny tombontsoa ambony indrindra ho an’ny firenena sy ny fanarahana ny lalàmpanorenana ihany no antoka hisorohana ny fikorontanan’ny fanjakana sy ny fifandirana ara-politika. Ny IRMAR sy ny TGV dia manohana ny "transition constitutionnelle" izay mikendry ny fiverenana tsikelikely amin’ny lamina ara-dalàna amin’ny alalan’ny dingana iraiszn'ny rehetra (consensuel), tsy manilika (inclusif), tsy mitanila, ary manome lanja manokana ny fampihavanam-pierenena, hoy ny fanambarana. Milaza hanohy handray anjara amin’ny fifampidinihana sy ny "assises" rehetra izy ireo, ho fanohanana ny fahombiazan’ny tetezamita sy ny fiverenana amin’ny filaminana ara-panjakana, saingy nanamafy fa ny fandraisana anjara dia tsy midika ho fanekena tsy misy fepetra. Farany, naneho ny amin’ny fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena izay efa nosoniavina sy nankatoavin’i Madagasikara, ary koa ny soatoavina repoblikana sy ny fanjakana tan-dalàna. Nanasonia izany moa ny moa ny Depiote Haja Resampa Filohan'ny Vondrona Parlemantera IRMAR sy ny Filoha lefitra faha-7 avy amin'ny fanoherana Milavonjy Philobert.
MANDADY NY TRAMBO...
Mazava ho azy fa manamafy ny fitadiavana hirika ara-politika hialokalofana ao anaty fiaraha-midinika sy fiaraha-mintantana ny IRMAR-TGV, mba hanaronana ny heloka politika sy fanitsakitsahana lalàna, ny afera maizina natao teto tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina,... izay heverin'izy ireo fa ho vitavita ho azy amin'ny alalana sarintsarina fampihavanana politika. Misoko miadana sy manozongozona ny fahatokisan'ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny ho miverina mifampidinika amin'ny mpamono olona ny volomboasary satria isan'ny fototra niorenan'ny tolom-bahoaka farany teo ny fanesorana an'i Andry Rajoelina sy ny "forongony",... Mahagaga fa lasa mahay miresaka Fanjakana tan-dalàna sy soatoavina repoblikanina ny volomboasary izay naneho habibiana maro lafy sy nampihatra ny "capture d'État" fony nitondra, hany ka sesilany ny fisamborana, fanagadrana, famotehana ireo tsy nitovy hevitra,... Dia misoko mangina sy sahy milaza fa manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC amin'ny fitsanganan'ny tetezamita ara-dalàna io, saingy miady sisika tsy hohahilika, hiaraka mandray fanapahan-kevitra io. Mazava ho azy fa ny foto-kevitry ny fanovana izay niala tao anatin'ny jadon'ny mpitondra tsy refesi-mandidy, be kolikoly, nampahantra Firenena,... mihitsy no tadiavin'ny volomboasary hovetavetaina amin'ny fiezahana hisosoka mangina sy hialokaloka amin'ny fifanarahana politika hanadiovana ny heloka bevava teto amin'ny Firenena. Tsy misy famelana raha tsy misy ny Fitsarana!
Toky R