toe-draharaham-pirenena ankehitriny, izay mihasarotra hatrany. Marina fa miezaka mafy mifehy sy mitazona ny fahefany i Andry Rajoelina. Mampiteny ny vola sy basy amin’ny alalan’ireo manodidina azy. Ny sary mitranga anefa, manomboka mihasarotra ny toe-draharaha na ao anaty Fanjakana aza. Ny firodanam-panjakana hatramin’izay dia avy ao anatiny no matetika manafaingana, ary efa betsaka ny tondro toa maneho an’izany.
MANOMBOKA TSY VOAFEHY NY AO ANATINY, MISY FAHASOSORANA…
Manomboka tsy voafehy ny ao anatiny, misy ny efa sosotra, mamoaka tsiambaratelo,… satria mahatsapa fa misy zavatra efa tena tsy mety intsony. Nafana ohatra teo aloha teo ny ahiahy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, toy ilay resaka tsy mahazo mivoaka an-dakazerina, izay nodisoin’ny tompon’andraikitra aùbony, saingy misy mamoaka ihany ny dosie avy tao anatiny toy ny «Message Radio » mitondra ny datin’ny 14 janoary, izay nanamafy fa noho ny toe-draharaha ara-politika dia nihantona ny fahafahana mivoaka an-dakazerina nanomboka ny 23 desambra, ary « consignées » ny lakazerina,... Nisy ny kazarana ampamoaka nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay nitanisa anarana olona ambony teto amin’ny Firenena, nilaza fa nivory tatsy tamin’ny fotoana tahaka izao,… Miaramila efa nolazaina nitsoaka an-daharana no manana loharanom-baovao antsipirihany izay tsy azo hamaivanina na marina na diso, fa matoa mivoaka ny toy izany sy ny mitovitovy aminy, dia avy ao anatiny no miainga ireny. Toe-javatra somary mampiahiahy mety hifandraika amin’ny fahatezerana sy fahasosorana politika ny tranga hafahafa toy ny fahatafaporitsahan’ny gadra 14 tany Maintirano andro atoandro be nanahary ny herinandro teo. Misy ampahan’olona mahatsiaro ho miasa be fa tsy ankasitrahana ka miseho ny toy izany? Nanamarika ny herinandro teo ohatra ny fankasitrahana manamboninahitra maromaro izay avy amin’ny rantsana iray eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, ka mandeha ny fanamarihana any ambadika fa atao anjorom-bala ny hafa. "Misy ny fandementsaina sy ny fanasarahana ataon’ireo mpanohitra ka enganie tsy handairan'izany isika mpitandro filaminana", hoy moa ny Minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena. Mety ho marina ny azy, saingy tsy azo hamaivanina ny fahatezerana sy ny ambana. Hatramina vadina mpitondra ambony izay tsy hotononina anarana aza mahatsapa fa tsy milamina sy mafy izao ka nangataka mba hoentin’ireo Raiamandreny am-panahy am-bavaka. Ny fahasosorana politika indrindra taorian’ireo fifidianana nisiana hosoka sy amboletra, ny krizy ara-toekarena, ny vidim-piainana,… moa mbola ambana hafa !
TSY MISY NY MAFY BE SY NY MANDRAKIZAY !
Lany Filoham-pirenena tamin’ny isam-bato 99% teo ny Filoha Tsiranana tamin’ny 1971 fa niongana ny taona 1972. Niorim-paka 16 ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nitondra nanomboka ny taona 1975 fa nirefotra ny raharaha 1991. Isan’ny nalaza taty Afrika Afrika tamin’ny tanjaka teo amin’ny fitondrana, miaramila afaka tena nifehy ny manam-basy ny Amiraly Ratsiraka na «L’Amiral rouge » hoy ny Afrikanina, nalaza tamin’ny teny hoe : « tsakitsaky zato arivo », fa nirodana izy. Tafaverina teo amin’ny Fitondrana avy eo, saingy nirefotra ny 2002. Mba niasa ihany, nitondra vokatra sy nanana ny fahombiazany ny Fitondrana Ravalomanana tamin’ny ankambopeny, ary natoky tena fatratra rehefa niorim-paka 7 taona teo amin’ny Fitondrana. Nanana ny maro an’isa tamin’ireo rafitra sy andrim-panjakana, fa nirefotra ihany koa ny 2008. Nalaza tamin’izany ilay hoe : « tsapaho aloha ny herinareo izay vao mifanandrina amiko ! »,… Mba nanezaka Atoa Hery Rajaonarimampianina fa tsy lany. Noho izany, tsy misy ny mafy be foana izany, fa misy fetrany. Ireo voatanisa ireo aza mety nahomby kokoa ara-pitantanana, nahazo fankasitrahana sy fanohanana na « adhésion populaire » kokoa fa inona no niafarany ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny