Antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM tarihin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fotoana nanasana ireo mpikatroka TIM, fa teo ihany koa ireo antoko mpanohitra hafa. Nandritra io no nilazan’ity farany, fa tsy nampihemotra sy tsy nampilavo lefona ny famotehana ny TIM sy ny fananan’i Marc Ravalomanana. « Nandritra izay taon amaro izay, niatrika fanamby sy onja mahery, tao ny nieritreritra fa nopotehina daholo ny fananako, saingy tsy milavo lefona, hoy i Marc Ravalomanana. Nilaza moa ity Filoha teo aloha ity, fa efa misy ny handimby azy saingy mbola tsy nanomana an'izany izy hatreto. Rehefa tonga ny fotoana dia hasehony ihany izay mety handimby azy amin’ny sehatra politika, hoy ity farany. « Manan-janaka telo aho ary fantatro ny fianarana nataon’ireo », hoy i Marc Ravalomanana. Iray amin’ireo zanany izany no handimby azy hitarika sy ho lohan’ny TIM any aoriana ? Naneho moai o Filoha mpanorina ny TIM io fa hiray hina sy hifanohana amin’ny Antoko hafa mitovy firehana aminy, fa tsy hahavita tena irery, ka nilaznay fa hanana paikady vaovao, hanana fomba fijery vaovao manoloana ny zava-misy. Naneho fa manomboka izao dia tsy maintsy hampiroboroboana ny kolontsaina hisian’ny firaisankina, ary tena ilaina ny fifampiresahana. « Izay vita taona anatin’ny 23 dia vita, fa ny ho avy no andeha hobanjinina, ary amin’ny politika tsy misy mpifahavalo mandrakizay, fa andao isika hifampiresaka », hoy i Marc Ravalomanana. «Tiako hantsoina izy ireo raha mitovy ny hevitra satria mangirifiry ny fiainan’ny vahoaka malagasy amin’izao ary mila fanovana izy. Raha mila firenena vanona isika dia andao hiray hina », hoy ny filoha teo aloha », hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Manoloana ny filazan’ny depiote iray tany Fianarantsoa izay nilaza fa mbola mila « troisième mandat » ny filoha Rajoelina dia namaly ihany koa i Marc Ravalomanana fa tsy hanaiky lembenana an’izany intsony ny vahoaka malagasy. Fe-potoana fiasana roa na « 2 mandat » ihany no voalazan’ny lalampanorenana, hoy ity Filoha teo aloha nitondra nandritra ny 7 taona ity.
Toky R