airtel

Politique

05-sept-2025

Marc Ravalomanana

« Potika ny Firenena, mila fanovàna !»

Sample post image

Nanao fanambarana naneho mivantana fa manohana ny

05-sept-2025

hafatra navoakan’ny Vaomiera Episkopaly momba ny Rariny sy ny Fiadanana tamin’ny 29 Aogositra 2023 manoloana ny toe-draharaha ara-tsosialy, ara-toekarena, ary ara-pitantanana eto Madagasikara i Marc Ravalomanana, araka ny taratasy nosoratany ny 03 septambra teo. Nilaza fa manohana tanteraka ny fanentanana ataon’ny Fiangonana manoloana fanajana ny zon’ny olom-pirenena, ny rariny, ary ny fahamarinana. Nambarany fa tsy misy fandrosoana azo tratrarina raha tsy misy fahamarinana, fifampitokisana, ary fiaraha-miasa. “Raha tsy misy fahamarinana dia tsy misy fifampitokisana. Raha tsy misy fifampitokisana dia tsy misy fiaraha-miasa. Ary raha tsy misy fiaraha-miasa dia tsy misy fandrosoana,” hoy izy. Notsindriany fa tsy ampy intsony ny fampanantenana, fa ilaina ny asa mivaingana, azo refesina, ary mipetraka. 35%-n’ny Malagasy ihany no mahazo fitsaboana fototra (OMS, 2023), manodidina ny 100.000 hektara isan-taona no levon’ny doro tanety, ary maro amin’ny ankizy no tsy mahazo fanabeazana manomana ny hoaviny, hoy i Marc Ravalomanana. Efa ho 80%-n’ny Malagasy no miaina anatin’ny fahantrana (Banky Iraisam-pirenena, Aprily 2024), ary ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana no ambony indrindra amin’ny firenena aty Afrika. Naneho ahiahy lalina izy manoloana ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanam-bola. Notsindriany fa mahatratra 142 miliara Ariary ny fatiantoka ara-toekarena ateraky ny kolikoly (Komity Iraisam-pirenena momba ny Kolikoly, 2020). Raha tsy misy fanitsiana sy fanovàna rafitra, dia hihamafy ny fahasimbana ara-tsosialy sy ara-pitantanana, hoy i Marc Ravalomanana. Nohizingizininy fa tsy ho tanteraka ny fanovàna raha tsy iarahana amin’ny fiadiana amin’ny fanavakavahana sy fanilikilihana. Aminy, tsy maintsy misy fanovàna, ary izany no antony hanovàna ny rafitra amin’ny alalan’ny fifidianana. “Izay no antom-pisian’ny fitondrana,” hoy hatrany izy, manamafy fa ny fanovàna dia tsy tokony ho teny fotsiny, fa ho hetsika ara-drafitra sy ara-piarahamonina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap