tokony hieritreritra hoe : Fanjakana, fa Fanjakana izany dia « territoire » na tanindrazana sy ny vahoaka ny mponina « citoyens » ary ny harena eo aminy, ka izahay tsy hanapotika hanongam-panjakana fa hanongana ny mpitondra, hanao izay azo hatao mba hanohizany izao fampahoriana ny vahoaka Malagasy », hoy i Marc Ravalomanana Filoha Nasionalin’ny TIM sady mpitarika ny Firaisankina omaly, tao anatin’ny fahatsiarovana ny 26 janoary 2009. Nitanisa ireo tsy fahombiazan’ny mpitondra sy ny fahantrana lalina izay nambara fa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaiza-mitondra, fampihorohoroana, fanagadrana,… Nilaza fa vonona hiray hina sy hijoro amin’ny vahoaka Malagasy ny Firaisankina. « Ho hitanareo eo tsara ny asa iarahanantsika miaraka. Manantena amin’ny Malagasy fa izay olona manana eritriretritra, izay olona manana fikasana tsara, dia hijoro sy hamerenana indray ny demokrasia. », hoy i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa fifidianana feno hosoka no nisy ka nambarany fa nanamafy an’io ny Tribonaly momba ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Tsy maintsy natao lany ny kandidan’ny fitondrana, hoy izy, saingy ho tsy afaka ho aiza, tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana firenena iray eto ambonin’ny tany raha tsy misy ny fitoniana politika, tsy mandroso, tsy afaka mihetsika mihitsy izany. Tokony hieritreritra fitoniana politika ny mpitondra raha ny nambaran’io Filoha teo aloha io ka mbola inoana sy antenaina ve izany hoe : ny fitondrana volomboasary no hiova ? Matoa miteny ny olona fa tsy rariny, ary matoa ny olona miteny fa Fanjakan’i Heroda ity, matoa ny miteny ny olona fa efa loza no mitranga, hoy i Marc Ravalomanana naneho fa vahaolana fampiasana ny tafika ampiadiana amin’ny vahoaka no misy. « Milaza ny mpitondra fa tsy maharesy tafika ny vahoaka, ka izany ve dia ve fiteny ? Mba olona mieritreritra sy nianatra ? Mba nandalo ambaratongam-pahefana sa tampotampoham-pahefana ? hoy i Marc Ravalomanana toa namaly ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard. Naneho ihany koa moa ny Filoha teo aloha tetsy andaniny, fa atody miady amam-bato eo anatrehan’ny mpitondra mampiasa ny vola sy ny basy. Tapitra hatreo ihany ve izany ilay hoe : tsy hanaiky hatramin’ny farany teo anatrehan’ny fifidianana feno hosoka ? Somary mampametra-panontaniana ihany hoe : inona marina izany ilay atao ao anatin’ilay tsy hanongam-panjakana fa hanongana mpitondra ? Amin’ny fomba ahoana ?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny