airtel

Politique

02-févr-2026

Marc Ravalomanana

"Tsy ho voafandrikareo aho,

Sample post image

manohana ny Fitondrana saingy..."

02-févr-2026

Nambaran'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Fianarantsoa ny sabotsy 31 janoary 2026 teo, fa manohana ny fitondrana fanavaozana ny antoko Tiako i Madagasikara hatreto fa tsy manohana fahatany fa sahy mijoro miteny ireo tsy mety. Tsy manohitra ny voalazan’ny HCC ny antoko Tiako i Madagasikara raha nilaza fa fa mivoaka amin’ny voalazan’ny lalampanorenana ny zava-misy eto Madagasikara. "Tsy nilaza mihitsy Aho hoe manohitra, tsy nilaza mihitsy aho manohitra ny HCC na "anti-constitutionnel", fa nilaza fotsiny hoe mivoaka na "extra-constitutionnel", ka samihafa izany fa ny fandraisan'ny sasany azy moa hoe manohitra dia izay izany fa inona no hoteneniko ankoatra izay", hoy i Marc Ravalomanana nanamafy fa samihafa ireo ka tokony hahay handray tsara. "Ravalomanana manohana fa efa namaly i Fidèle hoe izahay tsy manohana fahatany, fa sahy mijoro miteny ny tsy mety", hoy izy nanamafy. Milaza i Marc Ravalomanana fa mbola voasazy i Madagasikara hatreto raha ny resaka nifanaovany tamin'ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina, mbola tsy mahazo manatrika fivoriana. Mikasika ny hoe mitaky "feuille de route" ny mpanao politika kanefa ny Fitondrana tsy rototra amin'izany dia nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy ho tafiditra amin'ny fandrika. Rehefa izy no eo dia izy no mahita izay tokony hatao, efa izy no niteny hoe "régulateur" dia izy no manontany ny HCC hoe inona no tokony hatao, fa ny zavatra tsy azokontsika ialana fotsiny amin'ireo Vondrona Iraisam-pirenena dia tsy maintsy mifampiresaka sy mifandresy lahatra aminy isika hoe izahay tsy mila "feuille de route" dia manaiky izy dia izay, tsy manaiky izy dia tsy maintsy manao tondrozotra, hoy i Marc Ravalomanana. Ara-politika, nilaza i Marc Ravalomanana raha nanontanian'ny mpanao gazety ny mbola hirotsahany hofidiana Filoham-pirenena na tsia hoe: "mbola aloha loatra ilay izy, mbola tsy manomboka, ilana fandaminana daholo izany, fa rehefa tonga ny fotoana irotsahana dia hirotsaka Aho". Mikasika ny orinasa Tiko ao Fianarantsoa kosa, nilaza ity farany fa mbola misy fifandaminana fa tsy maintsy hisokatra fa mandeha tsikelikely.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap