trangam-piarahamonina manahirana tato ho ato i Mazana Rakotondramanana, mpitandrina no sady mpanao gazety sy manaraka akaiky ny raharaham-pirenena. Nizara ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy izy.
Tia Tanindrazana (TT): Be loatra ny herisetra, efa tena saika manerana ny nosy.Inona amina no mety antony mahatonga izany ?
Mazana Rakotondramanana (MR) : Amiko manokana ny vokatry ny krizy politika 2009 io no mahatonga ny herisetra misy ankehitriny, ny antony dia saiky niaina izany avokoa ny Malagasy nahita ireny vono-olona mahatsiravina ireny, raketin’ny saina ireny ary io mipoitra ankehitriny io. Eo ny tsy fahampian’ny asa ho an’ny tanora izay laharam-pahamehana tokony hataon’ny fanjakana ny famoronana asa
TT :Inona aminao no tena poizina manimba ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana ?
MR :Tsy poizina kosa fa hoe ny faharavan’ny rafi-piarahamonina malagasy no tokony ho izy voalohany aloha ny fanjakana tokony hametraka tany tan-dalàna no tsy manaja lalàna sy manao ampihimamba ny harem-pirenena, tsy misy ny fitsinjarana ara-drariny amin’ireo harem-pirenena na isam-paritany izany na isam-paritra. Tena zava-doza ny fanambanian’ny fitondrana ankehitriny ny fanabeazana manomboka hatrany amin’ny fanabeazana fototra ka hatramin’ny oniversite.
TT : Raha ny tarehimarika farany dia miaina anaty fahasahiranana ny 70% n’ny vahoaka Malagasy, maro anefa ireo manampahefana milaza fa efa tena mandroso i Madagasikara. Ahoana ny fahitanao izay ?
MR : Raha iny fanambaran’ny Filohana Andrimpanjakana hita tamin’ny fahita lavitra iray aloha dia tsy Mendrika satria manambany ny Malagasy ireny fanehoan-kevitra ireny satria dia efa hita fa mahantra ilay firenena dia tokony tsy hanamarin-tena toy ireny nefa ianao filohana Andrimpanjakana izay tokony haneho ny maha diplomaty anao amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena mahantra ny Malagasy fa ny Malagasy ihany koa angamba no nisafidy ny nampahantra azy.
TT :Inona aminao no atao hoe mpitondra mahay mitantana ?
MR :« Gouverner c’est prévoir » hoy ny teny vahiny ny mpitondra mahay mitantana dia mahafehy ny fitantanana amin’ny lafiny rehetra. Dia rehefa tsy mahay ianao dia mianatra ary mila mahay mihaino ny hafa fa tsy ailika any amin’ny mpanohitra foana ny tsy fahaizanao mitantana.
TT :Raha hanome tolo-kevitra ny mpitondra ianao , inona aminao no tokony asa laharampahamehana ?
MR :Efa indroa nahazo fahefana ny mpitondra ankehitriny dikany tsy mila atoro amin’izany izy fa ry zareo mihitsy no manao bontolo ny fiainam-pirenena ka mamotika ny firenena ankehitriny io.
TT :Amin’ny maha mpitandrina anao, tsy mahatsapa ve anao hoe tsy nahavita nitaiza tsarany ondriny ny fiangonana ?
MR :Tsy miambo ho nahavita ny Fiangonana ary raha milaza nahavita dia efa vita izany ny asa fa matoa izao mitranga dia mila miverina mijery tantara isika tany amin’ny taonjato faha 5 talohan’i Jesoa Kristy mihitsy aza izao tantara mitranga izao. Ary mbola aza manantena hiova vetivety izao manjo ny Malagasy izao fa mila maharitra isika ary manova ary manala ireo mpitondra tia tena ireo faran’izay haingana. Ny Fiangonana ihany koa tsy maintsy miteny ary mbola hiteny amin’ny maha mpaminany azy. Ka araka ny hanampenan’ireo izay milaza manana fahefana no azy no hisehoan’ny tanjaky ny Fiangonana amin’ny fahasahiana mijoro.
TT :Ady sy korontana maneran-tany, efa tena akaiky marina ve ny farany ?
MR :Vao nomena ny Fanahy Masina dia efa izay no milaza fa akaiky ny farany araka ny Soratra Masina fa tsy anjaran’olombelona no miteny hoe efa akaiky ny farany fa ny fiomanana hiatrika izany no andrasana sy antenaina. Misy tokoa ireo fambara hita etsy sy eroa fa ireny no tokony hanehoantsika izay mbola miandry ny fiavin’izany fifankatiavana. Ny hamehezako azy dia ny hoe : fahataperan’izao tontolo izao ve ? Tsy misy mahalala izany afatsy Izy mpamorona ihany fa ny tokony hosainintsika olombelona nohariana dia ny voka-dratsy aterak’ireo fahasimbana sy korontana ataontsika ihany. Raha tiantsika ho tonga ny farany dia maka ny toeran’Andriamanitra dia farano amin’i zay hitiavantsika azy. Fa raha mbola mahatsiaro olombelona dia andeha haka tahaka amin’izay nataony hamerina ity tontolo ity amin’ny endriny dia ilay fahatsarana, ilay fitiavana, ilay maha te honina, ilay fifandraisana mari-toerana, ilay fahatoniana.
Nangonin’i RTT
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia