airtel

Politique

27-janv-2025

Miakatra ny marimpàna politika

Ankilabao tanteraka ny fiainam-bahoaka

Sample post image

Heverina fa hangotraka izany manomboka eto ny fifandanjan-kery ao amin’ny fiadidiana

27-janv-2025

ny kaominin’Antananarivo renivohitra ao. Hita ho mifandanja ny isan’ireo tomponandraikitra voalohany isan-tokony eo anivon’ireo mpanolontsain-tanàna, raha ny voka-pifidianana nandritry ny fivoriana voalohany nataon’izy ireo ny zoma teo. Ny fitantanana ity renivohitry ny firenena ity, izay heverina fa ho stratejika be ho an’ny fiainam-pirenena iraimanontolo mihitsy satria dia iaraha-mahalala ny tantara fa ivon’ireo tolom-bahoaka nifandimby hatrany izany nanomboka ny taona 1972. Etsy ankilany, ny eo anivon’ny fanoherana ny fitondràna anatin’ilay vondrona politika hoe Firaisankina koa dia nilaza indray fa tsy ho vita hatreo ity raharaha mikasika ny fifidianana kaominaly ity fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izy ireo. Fantatra etsy ankilan’izay fa mivory matetika ny herivelona samihafa ivelan’ny fitondràna, na politika io na fiarahamonim-pirenena na sendika. Ao ireo milaza fa ho fitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena no anton’izany na koa hoe ho fanolorana vahaolana ho an’ny fitondràna. Farany teo izao dia nisongadina koa ny fijoroan’ireo Raiamandreny ao anatin’ilay antsoina hoe SERA na Sehatry ny raiamandreny. Ity farany moa izay namavomavoana tamin’ny alalan’ny gazety iray ana mpanefoefo manohana ny fitondràna mihitsy ho fivondronan’ireo olo-mody mbola te hanongam-panjakàna. Hita ho miakatra ny marimpàna politika eto amin’ny firenena, araka izany, ankehitriny, saingy hita ho ankilabao tanteraka ny fiainam-bahoaka, etsy andanin’izay kosa.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap