airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Miary Rasolofoarijaona «Adidy masina ny manala ny mpitondra ankehitriny»

Sample post image

Tena leo sy tofoka ny tsy fahaizan'ity filoha Rajoelina sy ny ekipany ity ny firenena malagasy,

12-juin-2023

hoy ny sekretera jeneralin’ny olafitry ny mpanao gazety teo aloha sady mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona. Tena adidy masina ny manala ny mpitondra ankehitriny eo amin'ny fitatanana ny firenena, hoy izy. Tena tsy mahavita. Lavaka amin'ny lalana efa isan'andro mitera-doza na eto andrenivohitra na manerana ny lalam-pirenena rehetra. Isan'andro ianao tsy maintsy maheno olona nisy nanendaka sy vaky trano. Ny fisolokiana efa lasa rivotra iainana eto. Delestazy lazaina fa tapitra sy nahitam-bahaolana fa vao maika ny minitra andehanan'ny jiro no isaina isan'andro. Ny rano zara raha misy iray zinga ao anatin'ny herinandro fa miampy ity tsy fahitana vahaolana amin'ny fifehezana ny fiatraikan'ny COVID sy ny ady any Okrainina. Mbola hiakatra koa izao ny vidin'ny solika dia hanaraka koa io vidim-piainana io. Tena fotoana izao itenena hoe "miala i Rajoelina sy ny ekipany rehetra fa tsy mahavita". Vao mifoha maraina dia tsy misy rano na anasana tarehy nefa nosokafana alina tontolo ny fanovozan-drano na «robinet», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap