airtel

Politique

10-juin-2025

Miary Rasolofoarijaona

«Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny»

Sample post image

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

10-juin-2025

mpamakafaka fiainam-pirenena, Miary Rasolofoarijaona. Misy olona manana andraikitra eto amin'ny firenena miteny hoe "Tsy tomponandraikitra mivantana amin'ny Jirama ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo’’, hoy izy. Miteny koa hoe "Tsy mahamenatra ny manangana ny saina frantsay amin'ny 26 jona...". Ireny fampiantsoana alefan’ny sampana misahana ny heloka ana habaka na «cybercriminalité» ireny ve izany azo hanaovana serasera ohatran’izao ataon’ny CENI izao dia tonga any dia samy vita? Ity resaka Jiro sy Rano tapaka lava tsy misy vahaolana ity mbola hanahirana anareo mpitondra ireo. Efa maro be loatra ny lainga sy fitaka nafafinareo hoe efa ho tapitra fa miafy kely. Efa fotoam-piasana iray sy tapany izay no vitanareo! Tsy afaka mirotsaka fanintelony intsony, tombana na «bilan» amin'izay fa tsy fampanantenana na «promesse» intsony. Mijaly izahay orinasa madinika fa mijaly ny malagasy manontolo, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap