Mazava ny resaka ankehitriny fa dia ny FFKM no hitarika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanamafisana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michaël taorian'ny fihaonan'ny fito tonta tao Ambohitsorohitra ny Alarobia 3 jona teo. Eo ampiandrasana ny tetiandro havoakan'ny FFKM hanombohana ny fikaonandoha dia nanao fanentanana Atoa Michel Razafindrandriatsimaniry, filoha nasionalin'ny antoko Fitambolagnela IAD. Aminy dia "mila manatrika ny fikaonandoha any amin'ny ny Fokontany nihaviany avy ireo Olomboatendry rehetra : Praiminisitra, Sekretera jeneraly, Tale jeneraly, Tale, lehiben'ny sampandraharaha... hifanakalo hevitra amin'ny Fokonolona any ifotony mba hisian'ny fiaraha-mientana rahampitso, izay antoka hisian'ny fampandrosoana maharitra eto amin'ny Firenena". Nanohy ny fanehoan-keviny ity minisitry ny fampianarana tamin'ny Repoblika fahatelo ary ambasadaoro taloha tany Libia ity fa "mila mahafantatra marina ny zava-misy sy ny filàna any ifotony ny rehetra, hamelomana ny risi-po sy ny hambom-po iraisana mialoha ny hirosoana any amin'ny fanavaozana".
Jean D.
Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel filoha nasionalin'ny antoko Fitambolagnela IAD.
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana
Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »