ara-politika miantefa amin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, miainga amin’ny Filohan’ny fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Nihazakazaka tao anatin’ny herinandro mahery ny fanenjehana sy fanasoketana ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Toa efa mipetrapetraka mihitsy ny paikady ara-tserasera, ka nalefa sy naparitaka ny fanaratsiana avo lenta, fanosoram-potaka goavana,… tsy tena misy nidiran’ny asa maha Praiminisitra. Vita izay dia nandeha kisarisarina tsapan-kevitra na « sondage », dia misy anarana sy sary apoitra sy voizina mafy fa tsara toerana ho Praiminisitra. Ampidirana sarina mpanao politika maromaro, fa iray no ezahana asongadina hampiasana an’ireny kaonty tsy tena izy na « compte fake » ireny. Tsy miaro be fahatany ny fitondrana, ary misy ihany koa ireo lesoka samihafa mila ekena sy ahitsy,… fa miharihary kosa ny kajy politika avo lenta hoentina hanesorana ny Praiminisitra ankehitriny Herintsalama Rajaonarivelo, izay tsy dia refesina loatra any amin’ny fanatanterahana ny asa nofaritana tao anatin’ny Politika ankampôben’ny Fanjakana fa tena lafiny politika te hitrongy, hakana toerana stratejika. Mety misy ny lesoka ara-pitantanana tao anatin’izay 3 volana izay, fa saingy raha ny krizy nolalovana, ny diplaomasia mila napetraka, ny Politika ankampoben’ny Fanjakana izay tsy maintsy nihazakazahana tao anatin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera,… dia naneho ny hafainganam-piasa ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Randrianirina Michael sy ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra, niezaka nifehy ny diplaomasia, namaha na mbola amin’ny ampahany ihany aza ny olana ara-tsosialy samihafa toy ny jiro sy rano, nanamafy ny dinika stratejika toy ny tamin’ireo mpisehatra amin’ny angovo, nametraka ireo vahaolana maro toy ny resaka herinaratra sy rano eny amin’ny anjerimanontolo, nanome « prime » sy nampiakatra ho 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay tsy vitan’ny fitondrana izay vao niongana teo an-taonany maro,… Lojika ihany koa anefa ao anatin’izao 3 volan’ny governemanta izao ny mety fihamafisan’ny fifamelezana politika satria maro ny miandrandra toerana, tsy resaka Praiminisitra ihany fa ny governemanta, ary ireny efa hita hatramin’ny resaka famoahana tondrozotra hanitarana ny isan-tseza politika ireny,…
MANOMBOKA MISY MIKITIKA NY FILOHA
Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny Praiminisitra ny fiezahana hamingana ny Fanjakana, fa manomboka mangotraka ihany koa ny fanenjehana ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Nanaitra ohatra ny nilazany tany Soalala omaly fa nisy niteny azy hoe : « Ianao aza mandeha any Atoa Filoha, ianao ho sahirana any, ianao hiala amin’ny toeranao !». Mety lojika, fa misy hafatra mety mandeha any amparahatoka ihany koa ireny sarin’ny Filoha miaraka amin’ny basy avo lenta mivoaka ireny, na eo aza ny maha miaramila azy. Mihamafy ny fanenjehana, tsongolohana mafy ohatra ny hoe : nahoana no mandeha jet privé na fiaramanidina manokana ny Filoham-panjakana niazo an’i Mahajanga ? Asa tokony handeha fiara ve ny Filoham-panjakana ? Isan’ny lesoka goavana taorian’ny 2009 izay nivarotan’ny mpanongam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina ny fiaramanidina manokana Air Force one nampiasain’ny Filoham-panjakana tamin’izany ka asa ny sary tao anatin’ny fitondrana teo aloha ve no tiana haverina ? Mandeha ihany koa ny fandroritana ara-politika ny kabary sy fanehoan-kevitra nataon’ny Filoham-panjakana namaly ny mety tsikera miantefa aminy nataon’ny mpitondra teo aloha ka nahatonga ilay hoe tao anatin’ny 16 taona fahantrana no vitan’ireo mpitondra kanefa ny fitondrana ankehitriny vao 3 volana dia efa misy zavatra misongadina. Efa manomboka mandeha ny kendritohana politika, eo anatrehan’ny mety ho teny misolifatra na fanapahan-kevitra tsy dia mety, izay tokony hahamailo sy hitandreman’ny mpitondra ankehitriny. Na tiana na tsy tiana ihany koa anefa dia misy ireo lesoka samihafa, ny fomba fiasa mety mitaredretra, ahiahy tsy hihavanana, ny fanahiana fisiana vondron’olona te hifehy ny Fanjakana, ny fifanarahana stratejika amin’ny vahiny mety hisy ahiana ho famadihan-tanindrazana,… izay mila ahitsy satria isan’ny teny nataon’ny Filoham-panjakana rahateo ny hoe ahitsio izahay raha misy tsy mety.
Toky R