airtel

Politique

23-janv-2025

Mihari-Ni-Rencho

«Mandamina ny hetsika ataon’ny vahoaka no tokony ataon’ny tafika»

Sample post image

Efa fantatra fa tsy omen’ny fitondràna ny fanoherana mihitsy ny maro an’isa tamin’ny fifidianana

23-janv-2025

kaominaly ary tsy omeny izany indrindra koa i Antananarivo renivohitra, hoy ny antoko politika Natiora. Efa fantatra koa, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho, fa hanao ny ataony izy satria ny fitaovana rehetra am-pelantanan’ny fitondràm-panjakàna. Mbola niezaka nandray anjara ihany, hoy izy, nefa izay nandray anjara. Manana ny heritreretiny izy. Hita taratra koa tamin’ilay nisy kandidà saika hitambatra. Midika izany fa nisy nifanarahana tao na misy mpanohitra iraisana. Izay no mahatonga ahy milaza hoe anton’ny tsy nandraisan’ireo antoko vaventy sasany tsy nandray anjara tamin’ireo fifidianana nandeha teo. Izay koa no mahatonga azy ireo tsy mihetsika amin’ny resaka valim-pifidianana satria tsy mikasika valim-pifidianana no antony hihetsehan’ireo fa resaka fitondràna tsy mandeha ara-dalàna eto Madagasikara no hihetsehan’ny fanoherana. Mitady marimaritra hatreto ny fanoherana. Mitady fanambarana hery. Iombonan’ny fanoherana rehetra ny fiaikena fa tsy mandeha ny fitantanana ny firenena. Fomba hanambarana hery tsy hitsitokotokoana sisa tadiavina. Ny vahoaka io raha hidina an-dalambe dia hitaky ny hamahana ny delestazy na rano tapaka na fidangan’ny vidim-piainana fa tsy hoe hanongana ny filoham-pirenena. Tokony hanampy azy izany ny tafika ary handamina izay hetsika ataony izay. Mandamina ny hetsika ataon’ny vahoaka no tokony ataon’ny tafika fa tsy mampihorohoro azy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap